Norobain’ny jiolahy maherin’ny folo nitondra basy sy famaky ny taksiborosy iray tao Soanatao, fokontany Ambohimanarivo, kaominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly maraina. Taksiborosy mitondra mpandeha avy any Ambovombe Androy nikasa hihazo an’Antananarivo io lasibatra io. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo lehibe teo afoavoan-dalana ny fiara. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. Tsy afa-nihemotra […]
Other News
Ankilimalinike : Hiaro ny vahoaka ny « Voromahery »
Handray an-tanana ny fiarovana ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II ny «Voromahery ». Antony, manoloana ny korontana nataon’ny andian’olona avy any Tsiafanoke sy Benetse any amin’ny fari-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Nijoro ny 20 jolay teo ny vondrona Voromahery, iarahan’ny mponina anaty fokontany 13 sy ny mpitandro filaminana, hitandroana […]
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy efatra voasambotra teny Ambohimanarina
Ravan’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy niaraka naiditra am-ponja. Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny olon-dratsy roa raha toa ka nalefa ao Antanimora ny roa lahy namany, afakomaly. Mikambana anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny kaominina Antehiroka, ireo olon-dratsy ireo. […]






