Other News

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka anio ny fidinan’ny fitondram-panjakana any amin’ny faritra Ambatosoa. Hotan­terahina any an-toerana ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana fotodrafitrasa izany. Anisan’izany ny “Parc solaire”, kianja, hopitaly manara-penitra, tsena. Eo koa ny asa sosialy hanohanana ireo marefo ary arahana fampisehoan’ireo artista malaza. Miantso fitoniana ny mpitondra tenin’ny governemanta, amin’izao handraisana […]

Filohan’ny OJM : “Tsy sakanana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”

“Voalazan’ny And. 7 sy 60 amin’ny lalàna 2020-006 mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery fa tsy sakanana na rarana hikaroka loharanom-baovao ny mpanao gazety”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), Rasoloarisoa Monica Harimbola, teny Anosy, oma­ly, manoloana ny fitarainana mpanao gazety tsy mahazo loharanom-baovao amin’ny “Raharaha […]

Sangodim-panina

  Raha tsy mahay dia fanina tanteraka amin’ny fomba fivoizana vaovao eto Madagasikara. Samy manao izay mahametimety azy avokoa, indrindra fa ireo misora-tena ho mpanao gazety sy mpisintona lakolosy. Samy milalao ny saim-bahoaka sy toe-pon’ny tsirairay. Tsy hita be ihany izay tokony ho inoana. Ny tena mpanao gazety heverina ho […]

Raharaha Ambohimalaza : Mpianakavy nifamosavy !

Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, fa mpianakavy nifamosavy noho ny disadisam-pitiavana no nahatonga ilay raharaha Ambohimalaza. Zavamaniry misy poizina no nampiasaina namonoana ireo mpilanona. “Zava-maniry Ramiary sy Beladôme no na­fangaron’ilay nahavanon-doza nanapoizinana ny sakafo nafahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Ra­joelina Andry. “Olana ara-pitiavana, lonilonin’ny mpianakavy no […]

TSELATRA

Roa vavy mpangarom-paosy voasambotry ny fokonolona teny Analakely, Boriborintany voalohany, omaly. Nasaina namerimberina tamin’ny feo avo “Tsy hangarom-paosy intsony izahay”, izy roa vavy. Taksiborosy levon’ny afo tao Brickaville, ny alin’ny alarobia 23 jolay teo. Hanatanteraka ny diany voalohany hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina io fiara io kinanjo tratry ny olana teknika […]