Porofoin’ny vovonana Irmar sy ny Tim fa mbola azy ireo aloha ny tanànan’Antananarivo. Mifandanja ny vaton-dRavalomanana Tojo sy Ramanantsoa Harilala. Na mitarika vonjimaika aza ity farany. Tontosa omaly, ny fandatsaham-bato tao anatin’ ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina manerana an’i Madagasikara. Tsapa fa niakatra ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Raha ho an’ny […]
Other News
FAMOKARANA KARBONINA : MITERAKA OLAM-PIARAHAMONINA AO IHOROMBE NY FANOMEZANA TANY HO AN’NY TOZZI GREEN
Trangam-piarahamonina iray efa niseho aman-taonany maro ao amin’ny faritra Ihorombe ny olan’ny fananantany ateraky ny tetikasa Tozzi Green. Betsaka ny fampanantenana natao ho an’ny mponina saingy tsy ampy ny fanatanterahana. Tsy tanteraka ny bokin’andraikitra, miteraka olana ny voly hazo lazaina fa mamokatra karbonina, gadraina ny mpisintona lakolosy sy ny mpiaro […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 12, 13 ary 14 desambra ny foara « Noelin’ny Asa tanana » etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, andiany faharoa. Hampisongadinana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny famoronana, ny fiangaliana, toy ny kojakoja, firavaka, ny fitafy sy akanjo, ny sakafo, sy ny hafa. Hisy koa ny fampisehoana famokarana, fisakafoana, sns. Mitotaly 4 700 ny […]
FANONDRANANA ANTSOKOSOKO : Volamena 13,865 kilao tratra teny Ivato
Tratran’ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly 11 desambra, ny volamena milanja 13,865 kilao. Bolongam-bolamena « lingots » miisa telo ireo tratra ireo tao anatin’ny entana nentin’ny teratany malagasy iray. Handray ny sidina ET 852 an’ny kaompania Ethiopians Airlines, niainga teto Antananarivo handeha hiondrana any Addis-Abeba ity mpandeha ity. Fantatra […]
Vita izy izay!
Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana ho ben’ny Tanàna manerana ny Nosy. Tsy araka ny tombantombana sy ny fiheveran’ny maro azy hoe hisy korontana. Nisy ny tsy fahatomombanana, ekena izany! Saingy nampiavaka azy kosa, nisy hatrany ny vahaolana avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy nanova zavatra betsaka ihany koa ny […]






