Other News

SOMBIM-BAOVAO

Hatao anio 11 sy rahampitso 12 novambra, any amin’ny ligin’Atsinanana, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”. Basikety lalaovin’olona telo, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety, hiarahana miasa amin’ny ligin’Atsinanana sy ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Volley-ball. Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpilalao ity taranja ity, ny eo anivon’ny ligin’Anala­man­ga. Fifaninanana “passe de précision” izany, […]

Kitra malagasy : voasazy tsy miatrika lalao enina i Rayan Raveloson

Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny sazy mavesatra ho an-dRaveloson Rayan, Malagasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AJ Auxerre France. Voasazy tsy afaka hanatrika lalao enina amin’ny fifaninanana frantsay, “Ligue 2”, ity Malagasy mpilalao ity noho ny fikasihan-tanana nataony tamin’i Maxime Sivis, mpilalaon’ny Guingamp France. Hisy akony lehibe amin’ity […]

Tenisy – “Mada 2023”: handray ny fifaninanana ny eto Antananarivo

Taorian’ny fankatoavana avy amin’ny Federasiona malagasin’ny tenisy. Hanomboka ny 27 novambra ho avy izao, eto an-drenivohitra, ny fifaninanam-pirenena “Mada 2023”. Hotanterahina ao amin’ny Club olympique de Tanana­rive (COT), Anka­dikely Ilafy, ny 27 novambra – 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vaovao […]

VAOVAO TAMBATRA

Tombony mandritra ny “Forum national des entrepreneurs » andiany faha-5 ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpisehatra ara-toekarena, indrindra ny fifampizarana eo amin’ny samy mpandraharaha. Mifampiankina ny fampiroboroboana ny maha olombelona sy ny orinasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Nisitraka fiofanana momba ny fiainana anaty kaoperativa, ny fitantanam-bola amin’ny fomba tsotra […]

Tandavanala CAZ sy Cofav : fiarovana ny ala sy fampidiram-bola ny tantsaha

Natao, omaly, teto Antana­narivo ny tatitry ny zava-bita tao anatin’ny enim-bolana (janoary-jona) ho an’ny taona 2023, ao anatin’ny tetikasa « Tontolo voajanahary lovainjafy ny ilany atsinanan’i Mada­gasikara ». Raha ny lafiny ara-bola, ny 32% amin’ny nofaritana ho an’ny tetibola 2023 no efa nampiasaina, mahatratra 9,056 miliara Ar. Raha ny vi­navina ho an’ny enim-bolana faharoa […]