Mamokatra vary sy fary ny lemak’i Basse Mahavavy, any amin’ny kaominina Mantaly, distrika Ambilobe, faritra Diana, manondraka velaran-tany 18 000 ha. Hambolen’ny tantsaha anarivony vary ny 47%, raha fary ny 53%, mamelona fianakaviana maro. Mirefy 23 km ny fefiloha ao amin’ity lemaka ity, ka simban’ny rivodoza Gamane, tamin’ity taona 2024 […]
Other News
Harena an-kibon’ny tany : hiverina misokatra ny Base Toliara amin’ny taona 2025
Manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, afaka mitondra fampandrosoana. Hisy tetikasa roa lehibe hanomboka amin’ny taona 2025. Hiavaka ny taona 2025 ho an’ny tontolo ara-toekarena eto Madagasikara. Hisy tetikasa roa lehibe momba ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany hihodina, araka ny ao anatin’ny Fandaharanasam-panjakana hotanterahina (PMO), voafaritry ny Politikam-panjakana ankapobeny […]
3FB Rugby : Takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny filoha sy ny mpanazatra
«Afa-nenina izahay ary efa feno ny kapoaka ka tsy afaka ny hitazam-potsiny intsony amin’ny fahapotehan’ny klioba 3FB rugby»,hoy ireo mpilalao tranainy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadifotsy. Araka izany, takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny filoha ankehitriny miaraka amin’ny mpanazatra. Nambaran-dRakotoarimanana Jas Nirina (Bodhy), fa marary ny klioba ka aleo horaisinay mpilalao […]
« Grand Tournoi Antananarivo » : Tafita amin’ny famaranana ny Cosfa sy ny CFFA Andoharanofotsy
Notontosaina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By pass, omaly, ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo”. Ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no tafavoaka hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany. Raha hiverenana ny voka-dalaon’izy ireo, ny ekipan’ny Cosfa nandresy ny Avenir Ste Anne […]
DAKA AN-JORONY: Toy ny soavaly vao tsy mahalala an’Imahamasina
Fahiny, sady toerana fanaovam-baolina no fihazakazahan-tsoavaly ny tao Imahamasina. Mifandimby ao ireo taranja roa ireo rehefa faran’ny herinandro. Ho an’ny mpankafy «tiercé», amin’ny fifaninanan’ny soavaly dia mahafantatra tsara ny biby efa zatra ady. Vao migadona eo Imahamasina ny tongony efatra dia efa fantany izay alehany. Fa eo koa anefa ireo […]






