Other News

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Lasan’ny UBMT ny lelavola 3 tapitrisa Ar

Norombahin’ny ekipan’ny UBM Tokana, ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka lehilahy. Lasan’izy ireo ny vola 3 tapitrisa Ariary sy ny amboara ho an’ny ekipa. Nandrombaka izany kosa ny FAM ho an’ny vehivavy. Tanteraka tany amin’ny kianja Vakinankaratra, ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, amin’ny taranja tsipy kanetibe […]

Fanafihana mitam-piadiana : Moto iray sy vola 17 tapitrisa Ariary voaroba

Raha halatra sy fanendahana, fandravana, vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana no malaza, taorian’ny rivodoza Gezani, efa miverina miakatra indray izao ny lentan’ny asan-jiolahy eto Toa­masina. Vola mitetina 17 tapitrisa Ariary haterina amin’ny banky iray eto an-toerana no voaroba raha efa nahazo fotoana tamin’ny tomponandraikitr’ity banky iray ity ilay olona handeha […]

Razanamahasoa Christine: « Tsy azo ekena ny fambolena korontana »

Nivoaka amin’ny fanginany ny filohan’ny Ante­ni­mierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine. Hentitra ny fanehoan-keviny. «Manameloka amin’ny fomba rehetra ny tetika sy fikasana hamboly korontana eto amin’ny tany sy ny firenena izahay. Eo koa ny fikasana hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ary ny fampahantrana ny firenena », hoy izy, omaly tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Nambaran’ity […]

Administratera sivily: Hiatrika dinika nasionaly eny amin’ny CCI Ivato

Hanatanteraka fihaonambe nasionaly, ny 24 avrily ho avy izao, ao amin’ny CCI Ivato ny antokon-draharahan’ny Administratera sivily. Fantatra izany nandritra ny fihaonambem-paritra Atsinanana nataon’ny antokon-draharahan’ny Admi­nis­tra­tera sivily ato anatin’ny fa­ritra Atsinanana, ny 31 marsa lasa teo, tetsy amin’ny trano fandraisam-bahiny Marina Beach – Salazamay, notarihan’ ny filoha nasionaliny, Rakoton­dramanana Solofotahina. […]

Hira, dihy mahavariana… : Haharitra adiny telo ny « MJ The legend show »

Eny amin’ny CCI Ivato, ny 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fampisehoana an-tsehatra nampitondraina ny lohateny « MJ The legend show » hamerenana sy iainana indray ireo mampiavaka an’i Michael Jackson na ilay « mpanjakan’ny « pop » », Ao anatin’ny adiny 3. Hanana endrikaa sy fizarana 3 lehibe. Ny fizarana voalohany, hiaka-tsehatra ry […]