Niakatra fitsarana, omaly, ireo jiolahy miisa efatra nanafika mpamongady tany Ambalanirina. Nomelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 10 taona izy ireo. Niampy lamandy 7 000 000 Ar izany. Sazy henjana ! 10 taona any an-tranomaizina miampy fandoavana lamandy an-tapitrisany no azon’ireo efatra mirahalahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra, tao Ankadilalapotsy, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana, […]
Other News
Tarika Hasina : 30 taona nizarana hira mampihetsi-po
Sonian’ny tarika Hasina ny hira mandona fo. Nankafizan’ny maro ny sanganasan’izy ireo izany, nandritra ny 30 taona. Tsy handalo fotsiny fa homarihina ny fankalazana, raha ny nambaran’ny tarika, omaly. Hatomboka amin’ny fampisehoana izay hotontosaina etsy amin’ ny Havoria Anosy io, ny alahady 19 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. […]
Soratra sy ny zon’ny mpanoratra : Telo andro misesy ny « Tsenaben’ny boky »
Raha hay sy fantatra tsara ny soa azo avy amin’ny famakiana boky, handroso ny firenena iray sy ny mponina ao aminy. Iray amin’ireo hitondra ny tontolon’ny boky ho filan’ny Malagasy, ny « Tsenaben’ny boky ». Hotanterahina eo amin’ ny tokotanin’ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy ny fankalazana ny « Andro maneran-tany ho […]
TARATRY ny KANTO
Hanamarika ny « International jazz day » i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny alarobia 29 avrily izao ny karakarain’ny Madajazzcar. Famaranana ny « Tremplin Madajazzcar » hihaonan’ireo nifaninana ka voafidy ho mendrika indrindra, avy eto Antananarivo sy avy any Atsirabe sy Toamasina. Manomboka amin’ny 5 ora hariva eny amin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Mbola noporofoin-dRakotojoary Juan, mpanamory avy amin’ny klioba FMMSAM nitondra ny fiara Clio Motul, ny maha andrarezina azy nandritra ny dingana voalohany, amin’ny “course de côte”. Fifaninanana, notanterahina ny alahady lasa teo, teny Volomborona. Faharoa, Rabekoto Frederic ary fahatelo Rakotonoel Kenny, izay samy avy amin’ny Asacm. Mikarakara fiofanana ho an’ny mpitsara […]






