Other News

FANTINA sy FINTINA

Raha misy ny rivodoza tsy hahazoana manao ny fifidianana amin’ny 11 desambra, tsy maintsy mitodika any amin’ny Filankevi-panjakana ny Ceni, araka ny fanazavan’ny filohany, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Hampahafantarina amin’izany ny fisian’ny antony tsy azo anoarana, ary hamoaka fanapahana ny Filankevi-panjakana. Nanolotra fanampiana sosialy […]

Ravoajanahary Johary: «Hafa mihitsy ny fifandraisana mivantana amin’ny olona»

Nangina nandritra ny fotoana maharitra ny mpanao gazety sady mpanao famakafakana, Ravoajanahary Joha­ry, tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena momba ny radio sy ny televiziona taloha. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny tenany. Nitondra ny famakafakana sy fametrahana fanontaniana nahafantarana azy hatrizay. Namokatra ny fandaharana Solanga izy, izay azo arahina amin’ny […]

Olona olana

  Famatsian-jiro sy rano, vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite… Inona koa? Anisan’ny olana miverimberina hatramin’izay ireo, efa an-taona maro. Mandra-pahoviana? Manginy fotsiny ny olana raiki-tampisaka amin’ny sehatra na faritra sasany: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Misy koa ny olana tsy misy mpihaino na mpiraharaha; eny, na misy aza, ohatra, […]

Filoha Rajoelina Andry: nohamafisiny fa politikam-pirenena ny teknikam-pambolena Pfumvudza

Tafiditra anatin’ny politikam-pirenena ny fanelezana ny teknikam-pambolena Pfumvudza. Nanamafy izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tany Zimbabwe, omaly. Nataony laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny fampiroboroboana ny fambolena. Tanjona, hoy izy, ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara. Name­traka fanamby ihany koa izy fa haverina amin’ny sata maha […]

TSELATRA

Naratra mafy niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny lehilahy iray nitondra scooter teny Nanisana, afakomaly hariva. Nandeha mafy, tsy nahafehy ny familiana io mpitondra moto io. Tsy nahina ny ainy. Efa-dahy mpamaky fasana maty voatifitry ny zandary tao Vangaindrano, omaly maraina. Nitondra antsy, nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’ny zandary izy ireo ka […]