Nahoraka, omaly, ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana fa mamono tena izy miady amin’ireo mpambotry firenena. Anisan’ireny ireo mpandraharaha goavana, manao ampihimamba ny harem-pirenena sy fitazomana ny sehatra iankinan’ny ain-dehiben’ny Malagasy. Raha tsiahivina, tapitra omaly ny fe-potoana nomeny ny Enelec, amin’ny olan’ny jiro sy rano amin’ny faritra izay hiasan’izy ireo. Aiza […]
Other News
Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël: « Ilana fahasahiana ny miteny ireo vahiny mpandraharaha »
Hentitra sy nahitsy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël manoloana ireo vahiny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny herinaratra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonany amin’ny Malagasy miasa sy monina any Egypte izany, afakomaly. Nambarany fa misy dikany matoa tsy nahasahy niteny momba ireo vahiny mpandraharaha sady matanjaka, misahana ny herinaratra, ireo mpitondra […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana tokony ho 48 taona hita faty teo amoron-dranon’Ambahy, Lakandranon’i Pangalana, distrikan’i Nosy Varika, omaly maraina. Avy any Fenoarivo Ambahy io olona hita faty io, mpikarama manao vary ary mivezivezy amin’ny lakana eo anelanelan’i Ambahy sy Fenoarivo no ahitan’ny olona azy. Tsy nahitana ratra ny vatany, araka ny fizahana nataon’ny […]
voalaza ho nangala-jaza : Naiditra eny Antanimora ilay vehivavy
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay ramatoa tratran’ny fokonolona voalaza ho nangala-jaza tetsy Ambohidahy Ankadindramamy, ny 29 jolay 2026 teo, taorian’ny fiakaran’ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Raha tsiahivina, naka sary an-keriny ankizivavy 15 taona teny an-toerana izy ka nahatonga ny olona teny amin’ny manodidina niahiahy azy ho […]
Hividy volamena: Mpivady voaroba 15 tapitrisa Ar
Niharan’ny fandrobana nataon’olon-dratsy ny mpivady nikasa hividy volamena tany Ambovombe Centre, afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Nividy santionana volamena tamin’olona izy ireo talohan’io tranga io. Taorian’ny fifampiresahan’ny roa tonta, nambaran’ilay mpivarotra fa mbola misy volamena any Manandriana. Nihazo an’Ambovombe Centre izay toerana hakana ny entana izy […]






