«Fitia voarara». Fampiaraham-peon’i Poopy sy ny tarika Johary, nivoaka tany amin’ny taona 1992 io. Angamba anisan’ireo fampiaraham-peo naharitra indrindra tamin’ny laza, satria mbola mitoetra hatramin’izao izany. Efa ela toy izany koa ny fiarahana, saingy tsy nisy matetika ny hoe Poopy sy ny tarika Johary irery an-tsehatra. Nofinofy ho tanteraka ny […]
Other News
Fanabeazana sy kolontsaina: Hanokatra foibe iray ny Zanabaliha
Fikarohana maro momba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy maro no efa voaangon’ireo raiamandreny teo aloha… Taona 1995, nanohy ny fanangonana sy nivelatra tamin’ny fampianarana azy ireny izy ireo niaraka tamina tanora vitsivitsy. Fijoroana ho ara-dalàna, nisalotra ny anarana Zanabaliha ireto mpikaroka sy mpampianatra ireto. Taona 2026, fanamby lehibe no […]
Kihon-dalan’ny kabary malagasy : Ranoromampionona Voary, filoha vaovaon’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany
Anisan’ny andro lehibe nandrasan’ny tontolon’ny kabary ny omaly. Fotoana nanatontosana ny fifidianana izay hitantana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, manomboka izao. Nandritra ny Zaikabe faha-6 nifarana omaly, tany Mahajanga no nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitondra ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Firenena 31 no nahitana […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy midika ho fahatahorana an-dRavalomanana Marc ny nandraisan’ny filohan’ny Fanavaozana azy teny Iavoloha, araka ny nambaran’ny depioten’i Betroka, Randrianasolo Nicolas, omaly. Nambarany fa fihetsika natao ho amin’ny fitoniana sy ho an’ny tombontsoam-pirenena izany, miaraka amin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Mitaky mpandika teny rehefa fotoan’ny fampielezan-kevitra ireo manana olana amin’ny […]
Fanatsarana ny Araben’ny Fahaleovantena : Hanoratra tantara ireo mpitantana ao Toamasina
Hametraka tantara ireo mpitantanana ao Toamasina. Anisan’izany ny lehiben’ny Faritra sy ny ben’ny Tanàna. 68 taona aty aoriana, nahavitan’ny Araben’ny Fahaleovantena, hisy ny fanatsarana hatao. Omena endrika vaovao ny toerana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny, tamin’ity herinandro ity. Heverina hisarika mpizahatany ny endriky ny tanàna ary maha te- honina. Toamasina amin’ny endriny […]






