Other News

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 37,7% ny fanondranana vokatra lamba nataon’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia tamin’ny taon-dasa raha oharina tamin’i Frantsa izay 22,13%. Mitentina hatrany amin’ny 4 miliara dolara ireo vokatra naondrana. Firenena voalohany manafatra ny vokatry ny indostrian’ny lamba eto Madagasikara i Etazonia. Harahi-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy. […]

Vita ny tetezan’i Nosibe: mamelona indray ny toekarena ao Toamasina

20 taona taorian’ny nahapotehany, vita tanteraka ny tetezan’i Nosibe, PK 22 – RIP 7, mampitohy an’Ivoloina sy Ambodiriana , 35 km avaratra andrefan’i Toamasina, ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana. Ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

Mila misikim-ponitra !

  Mamofopofona asaramanitra ny tanàna. Nanomboka omaly ny fametrahana ireo fitaovana fanamafisam-peo amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, hanaovana ny «  podium ». Efa mahoraka ny kerimesy isaky ny sakelin-tanàna. Feno hipoka hatrany ny trano fisotroana. Mahazo mpanjifa maro ny mpanao “kodia kely” sy ny “ tornieky”. Maresaka e! Mifanindran-dalana amin’izay, […]

COMFWB-« Trade Fair » : omena lanja ny vehivavy mpandraharaha

Hatao ny 28 sy ny 29 jona ho avy izao ao amin’ny Novotel Ivandry, ny hetsika iraisam-pirenena ara-toekarena, “Trade Fair & conference”. Andiany fahadimy izy ity ary andiany voalohany kosa ho an’ny firenena miteny frantsay, toa an’i Ma­da­gasikara. Mikarakara azy ny federasion’ny fikambanan’ ny vehivavy mpandraharaha ao amin’ny tsenam-paritra Comesa […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray raha toa ka azo sambo-belona ny namany roa lahy nandritra ny fifanenjehana tao Mahajanga, afakomaly. Mpanendaka sady mpively « bois-rond » ireo mpandalo eny amin’ny Bord ireo olon-dratsy ireo. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka rava ny fikasan’ireo jiolahy. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. […]