Other News

TGC – Hosana Ambohijatovo Fitiavana: Nahatafita hafatra ny « Ambarao ny hatsarany »

Na tsy hipoka aza Antsa­hamanitra. Tsikaritra fa nahazo hery lehibe avy amin’ny fijerena ilay seho « Ambarao ny hatsarany » ireo tonga teny an-toerana. Nahatafita hafatra ny antoko mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana sy ny TGC. Samy naneho ny talenta sy ny fahaiza-mihira ary ny famoahana ny tiany hampitaina rahateo ireto tarika roa […]

Taom-pikatrohana 2025: « Mahazo aina hatrany ny tontolon’ny hiragasy »

Hiragasy, kolontsaina anisan’ny mbola mahatazona ireo singa maro maha Malagasy ny Malagasy. Nosokafana, omaly, ny taom-pikatrohana 2025. Tonga maro ny mpijery… Tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha no nanatanterahina ny « Hiragasy goavam-be », na­nokafana ny taom-pikatrohana 2025 ho an’ny hiragasy. Anisan’ny nampiavaka ity adin-kiragasy nifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Fredy Kely avy any […]

FANTINA sy FINTINA

Niezaka nampitovy tadin-dokanga noho ny disadisa ny vovonana Firaisankina, notronin’ireo depioten’izy ireo avy, tetsy Faravohitra, ny zoma teo. “Ilaina arindra aloha ny ato amintsika. Hapetraka ny hambo-po fa mila mijoro isika manoloana izao mahazo ny vahoaka sy ny firenena izao. Ilaina ny fananana fijery mitovy”, hoy Ravalomanana Marc. Efa any […]

Rabary Paul : “Tapi-dalan-kaleha ny fanoherana”

“Hatramin’izao aloha, tapi-dalan-kaleha ny fanoherana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, ny amin’ny toerana misy ny mpanohitra amin’izao taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy mankany amin’izay fandresen’ny fanoherana izay ny fanapahan-kevitry ny vahoaka sy ny vokatra tamin’iny fifidianana kaominaly iny. Ohatra, […]