Other News

“Canal + Asaramanitra” : handeha amin’ny Novegasy ireo sarimihetsika vaovao

Sehatra ho an’ny sarimihetsika malagasy ny Novegasy ao amin’ny Canal +. Hiampy ny tolotra ho an’ny fianakaviana amin’ity volana jona ity. Nokendrena hanana ny anjarany ny tsirairay. Nosafidiana ihany koa ny ora maha ao an-tokantrano ny ankamaroan’ny mpianakavy. Tolotra ho an’ny fianakaviana mantsy ny “Canal + Asaramanitra”. Mitana ny laharana […]

FANTINA sy FINTINA

Mitohy ny adidy, araka ny hafatry ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny CGP Rakotoarimanana Herilala, teny Antanimora, afakomaly, ho an’ny polisy. Mandra-pivoahan’ ny voka-pifidianana ofisialy, entaniny ny rehetra hanaraka ny lamina sy ny toromarika isan’ambaratonga amin’ny fitanana hatrany ny filaminana sy ny fandavorariana ny fandriampahalemana. Ao anatin’izany ny fankalazana ny 26 […]

HCC : alohan’ny 26 jona ny voka-pifidianana ofisialy

“Ampahatsiahivina ny re­hetra fa 16 andro farafahelany aorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika no mamoaka ny vokatra ofisialy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanore­nana”. Io ny filazana ho an’ny kandidà nampitain’ny HCC tamin’ny tranonkalam-pifandraisany, afakomaly. Araka izany, alohan’ny 26 jona no mety hanambarany ny voka-pifidianana ofisialy, raha amin’ny 11 jona ho avy […]

Mila manova lojika !

  Mangingina hafahafa izany ny tanàna. Asa, mbola samy variana amin’ny resa-pifidianana ny vahoaka malagasy. Ny hatsiaka izay tena mamirifiry tokoa efa mampitondra faisana rahateo. Manomboka mahazo vahana ny karazan’aretina mifandraika amin’ny toetr’andro. I Madagasikara rahateo anisan’ny lohalisitra amin’ny firenena mizaka ny vokadra­tsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy ekena ny fambolena korontana”

Mazava ny fitsipi-dalao! Tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto Madagasikara ny Praiministra Ntsay Christian. ”Tsy misy mahazo tombontsoa amin’izany”, hoy izy. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Tsy misy mahazo tombony ao anatin’ny korontana, ary tsy eken’ny fitondram-panjakana sy ny governemanta manokana ny fambolena korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny Praiminisitra […]