Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo kandidà, ny fahafahana manamarina sy manao fampitoviana ireo fitanana an-tsoratra eny amin’ny Ceni Alarobia. Anisan’ny nijery ny zotram-pikirakirana ny vokatra teny an-toerana ireo kandidà avy amin’ny vovonana Irmar. Nanatanteraka fidinana ifotony, teny amin’ny foibe toeran’ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), teny Alarobia, […]
Other News
Filatsahan-kofidina: Mbola ambany ny fandraisana anjaran’ny vehivavy
Anisan’ny tolo-kevitry SADC sy ny OIF ary ny UA, nandritra ny tatitra momba ny fizotran’ny fifidianana ny fampirisihana ny fandraisan’ny vehivavy anjara ao anatin’ny fifidianana. Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy ao anatin’ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny raharaham-pirenena, raha ny eto amintsika. Taorian’ny taona 2013, nanaovan’i Madagasikara sonia ny […]
Antenimierampirenena : Vao hofaritana ny fandaharam-potoana
“Miverina manomboka ny 6 jona ny fivorianay, hanapaka ny fandaharam-potoana. Ho hita amin’izay ny ho fandehany”, hoy ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, teny Tsimbazaza, omaly. Tsy maintsy tafiditra amin’izany ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2024. Toy ny mahazatra hatramin’izay, fotoana fohy dia fohy no omen’ny governemanta hahazoana mijery ny lalàna mifehy […]
Miadana Fabien Privat : “Tokony hiaina fangaraharana koa ny kandidà”
Tsy mampitovy fijery be ihany amin’izao ny fironan’ny voka-pifidianana depiote. Hanao ahoana? Ifandroritana amin’izany ny hoe fahamarinana sy fangaraharana. Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olompirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy ny mpikarakara fifidianana ihany no ilana fangaraharana, fa tokony hiaina an’izay koa […]
Distrika sy kaominina ao Vavatenina : tsy nahitana fampandrosoana taorian’ny taona 1960
Anisan’ny distrika iray amin’ ireo enina mandrafitra ny faritra Analanjirofo i Vavatenina. Ahitana kaominina 11 mandrafitra azy, izay mifanila amin’ Ambatondrazaka. Mahatratra hatramin’ny 119 kilometatra ny halaviran-dalana raha miainga avy any Toamasina. Maharitra fotoana ela ny fahavitana ny dia noho ny haratsian-dalana. Tsy misy fampandrosoana mihitsy ny fotodrafitrasam-panjakana eo anivon’ny […]






