Other News

Tsipy kanetibe: Nafindra any Thaïlande ny “Mondial 2026”

Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe ho an’olon-telo miaraka, lehilahy, indray amin’ity i Thaïlande. Afaka ny sazin’izy ireo ka izao naverin’ny Federasionina iraisam-pirenena ao anatin’ny fianakaviamben’ny tsipy kanetibe maneran-tany izao. Notapahin’ny Federasio­nina iraisam-pirenena fa hafindra any Thaï­lande ny andiany faha-52 amin’ny fiadiana ny ho tompon­daka maneran-tany, […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandroso hatrany amin’ny 24% ny asa fanamboaran-dalana Antsohihy-Bealanana, RN31. Efa vita ny sosona fototra, manomboka eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK48+700, any Ankazibetsiahy-Antsahabe. Efa tafapetraka ny « dalots » miisa 191 amin’ny 523, ka eo am-pamaranana ny 5. Miisa 8 amin’ny 29 ny tetezana efa vita. Mizotra araka ny tokony ho izy […]

Menabe: Rano fisotro madio ho an’olona 2 000

Nametrahana paompy miisa 4, siniben-drano manana hadiry 5m³ any amin’ny kaominina Andranomainty, fokontany Bermia, faritra Menabe, ny herinandro teo. Manodidina ny 600 ny mponina misitraka azy. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity fotodrafitrasa ity, tambajotra fizarana rano amin’ny paompy. Manodidina ny 750 ny olona misitraka azy any amin’ny kaominina Andranofotsy. Na­hazo […]

Soanierana Ivongo : Natsahatra ireo mpitran­draka tsy ara-dalàna

Nidina tany ifotony, tanaty ala, ny lehiben’ny distrika Soanierana Ivongo, sady lehiben’ny OMC. Tafiditra anaty faritra arovana ny alan’Ambalanirana, fokontany Antanadava, kaominina Manompana, distrika Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo. Ny 18 hatramin’ny 21 marsa teo no nanatanterahina izany, niarahan’ny tomponandraikitra sivily sy miaramila, ka anisany ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany […]