Other News

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny Praiminisitra hanao ho laharam-pahamehana ny sosialiam-bahoaka, indrindra ny jiro sy ny rano, ny Corps des sous officiers des forces des armées de Madagascar (Cosofam), araka ny fanambarany, afakomaly. Tokony hifantoka tanteraka amin’ ny fampandrosoana ny vahoaka ireo ho minisitra, fa tsy hitady tombontsoa manokana. Nihaona tamin’ny filohan’ny Ceni […]

Fitantanana : “Vola 3 811 miliara Ar ny volam-panjakana very”

Tsy fangaraharana, fanaovana ampihimamba, gaboraraka, ady tombontsoa… Ireo no anisan’ny mahavery ny volam-panjakana eo amin’ny fitantanana vola sy fitaovana ary olona, araka ny tatitra ny taom-pitantanana 2021-2025, nataon’ny eo anivon’ny Fitsa­rana momba ny kaonty teny Anosy, afakomaly. Mahatratra 3 811 miliara Ar ny volam-panjakana very. Midika fahafatesana izany, raha ny […]

Hafakely

  Tena hafa raha samy hafa tokoa aloha ilay fitondram-panjakana. Tena manao ara-bakiteny! Sambany misy izany fitiliana lainga na “détecteur de mensonge” izany eto Madagasikara. Ireo ho minisitra aloha no misantatra izany. Tsy diso safidy mihitsy ilay Filoha sy ny mpiara-miasa aminy. Ireo mpanao politika malagasy manko dia rainilainga na […]

Sorohina mialoha ny lainga: hohadinina amin’ny milina ireo ho minisitra vaovao

Zava-baovao? Na tsy ampoizina… Hanaovana fitsikilovana lainga amin’ny alalan’ny fitaovana “polygraphe” izay ho minisitra. Mihintsana avy hatrany izay miiba… “Tsy tokony ho ela ny governemanta. Inona no mahaela azy io? Tsy izahay intsony no mifidy ny olona hanaovana fifampi­dinihana. Misy ny fitaovana polygraphe ampiasaina eo anivon’ny fiadidiana ny Repo­blika”. Io […]