Other News

TSELATRA

Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Naka fitaovana toy ny fahitalavitra sy kiraro ny roa lahy. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny tao Amboronomby kosa ny roa lahy hafa. Vilany dimy sy finday no tratra teny amin’izy ireo. Raim-pianakaviana sy ramatoa iray maty tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo […]

Talatamaty : mpanao taxi-moto maty nohosen’ny kamiao

Mpanao taxi-moto iray maty nipotsaka atidoha vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Bel’air, kaominina Talata­maty, ny alin’ny alakamisy 18 avrily tamin’ny 9 ora sy sasany. Niandry mpandeha teo amin’ny sisin-dalana niaraka tamin’ny namany io mpitondra moto io. Nandalo tampoka anefa ny kamiao lehibe iray nitodi-doha hihazo ny lalan’ Ambohidratrimo. Nianjera ilay mpanao […]

3 tapitrisa Ar voaroba : raim-pianakaviana voatifitra

Voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny tanany ny raim-pianakaviana iray, nandritra ny fandrobana nataona dahalo tao Mangasoavina, distrika Tsiroanomandidy, ny 18 avrily teo. Mody nandodona tao an-trano, nitady vonjy fa misy olona marary mila fanafody maika ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Namoha ny varavarana ny tompon-trano sady nitazona basy. Nahita io raim-pianakaviana io […]