Haparitaka manerana ny hopitaly manerana ny Nosy ny fitaovana antsoina hoe, scope multiparametrique, miisa 750. Ahafahana manara-maso tsara ny marary sy manampy ny mpitsabo izany. Eo koa ny fitaovana fijerena ny fiasan’ny fo na electrocardiogramme (ECG), miisa 120. Ny sampana vonjy aina sy ny sampan-draharaha fameloman’aina no ametrahana ireo fitaovana […]
Other News
Fitoriana eny amin’ny HCC: manohana an-dRazanamahasoa Christine ny MMM
Naneho ny heviny, manoloana ny fitorian’ny IRD ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine eny amin’ny HCC ny MMM. Nohitsin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa manjaka ny tsy tan-dalàna ka niantsoany ireo Andrim-panjakana isan-tokony hijoro ho arofanina. “Aoka hanaja sy hanaraka ny lalàna mba tsy ho tsarain’ny tantara”, hoy izy tetsy Ankerana, omaly. Nankahery ny […]
Ratolojanahary Maharavo: “Aoka tsy hatao takalon’aina ny vahoaka”
Nambaran’ny tale kabinetran’ny filohan’ny Antenimiera, Ratolojanahary Maharavo (Doudou) fa misy fetrany ny zava-drehetra. “Aoka tsy hoterena tsy hanara-dalàna indray ny HCC. Aza atao takalon’aina ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy. Valin-kafatra nentiny manoloana ny nitorian’ny IRD sy hanonganana an-dRazanamahasoa Christine tsy filohan’ny Antenimieram-pirenena izany. Nohitsiny fa zary tsy misy lanjany intsony […]
Fanaterana dosie ho an’ireo kandidà : hiasa tsy an-kiato ny Ovec sy ny Ivon-ketra
Nisokatra, omaly ny fandraisan’ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidina (Ovec), ho an’ireo kandidà solombavambahoaka. Mbola nangingina ny andro voalohany. Hiasa tsy an-kiato isan’andro mandra-pahatongan’ny ora farany na amin’ny andro tsy iasana aza ireo eo anivon’ny Ovec sy ny Ivon-ketra mandray ny dosie an’ireo kandidà. Mbola miandry toromarika kosa ireo […]
Fitsinjaram-pahefana: Tafapetraka avokoa ny governora mpisolo toerana
Feno tanteraka ny toeran’ny governora manerana ny Nosy. Voatendry, omaly, nandritra ny filankevitry ny minisitra ireo rehetra mpisolo ny toerana banga. Niarahan’ny mpikambana amin’ny governemanta sy ny filohan’ny Repoblika nanaiky ny fandaniana ny didim-panjakana manendry azy ireo. Ramatoa Bevazaha Marie Annick ho an’Analanjirofo , Sabire Jérôme, ho governora mpisolo toerana ao […]






