Natao omaly 2 febroary, teny Ampandrianomby, ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) sy ny Banky iraisam-pirenena. Nanatanteraka izany ny teknisiana avy amin’ny roa tonta, niresaka ny voarakitry ny Paikadim-pirenena ny toekarena manga eto Madagasikara. Anisan’ny nisongadina ao anatin’ity paikadim-pirenena ity ny fisian’ny komity marolafy mandrindra […]
Other News
Orinasa Star: Kojakojan-trano ho an’ny sekoly 5
Na eo aza ny maha orinasa ny Star, misy ny tetikasa manokana ho an’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Ao anatin’izany ny fanampiana ny traboina sy ny hanarenana ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza Alvaro farany teo, any amin’ny kaominina sady distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana. Sekoly dimy, ny EPP Tsinjorano, […]
Rakotonirina Elysa: « Hiasa mahitsy sy madio isika »
Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Jly Rasolondraibe Jean Yves, talen’ny kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, sy Rakotonirina Elysa, vao voatendry ho eo amin’izany toerana izany. Nitarika ny lanonana i Fanohiza Claude, sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika ity talen’ny […]
Fiarovana ny tontolo iainana: namboly hazo 3 000, teny Iavoloha, ny Prezidansa
Nitohy teny amin’ny manodidina ny Lapam-panjakana Iavoloha indray ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Nitarika izany ny filohan’ny Repoblika. Nambarany tamin’izany fa mitari-dalana sy manome ohatra eo amin’ny fambolen-kazo ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anisan’ny nanatanteraka izany ireo rantsa-mangaika sy ny eny anivon’ny fitantanana ny minisitera […]
Minisitra Fomendraza Haingo Elisette: naneho firaisankina tetsy amin’ny HJRA
Nitsidika sy namangy ilay tovovavikely vao 5 taona monja naolan’ny zokiny ka manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Marary sy mijaly izy, simba ny hoaviny, mampalahelo satria zokiny lahy 21 taona no nanao izany. Rehefa naheno izany ny […]






