Hafa mihitsy ny Malagasy. Tsy mitovy amin’ny firenen-drehetra ny zava-misy sy iainany fa izay miseho, mahazendana avokoa ! Ilay fototra mihitsy no mitsingevana. Ny Malagasy ihany no mbola mandany fotoana maharitra miresaka ny teny ampiasaina eo amin’ny taniny. Malagasy fatrapanaja ny lamina voajanahary, kanefa, nanjary mifanditra noho ny teny ampiasaina. Misy […]
Other News
Sekreteram-panjakana: manomboka ny fandraisana kandidà
Misokatra amin’ny olom-pirenena rehetra manomboka anio, ao amin’ny tambajotran’ny fiadidiana ny Repoblika ny fandraisana ny mombamomba ireo hirotsa-kotendrena ho sekreteram-panjakana. “Laharam-pahamehan’ny filohan’ny Repoblika ny hametrahana sekreteram-panjakana. Mba hahazoan’izy ireo misahana ireo tetikasa hanatanterahana ny vinam-pampandrosoana andrasana amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, […]
Fantina sy fintina
Haka fanapahan-kevitra tsy ho ela ny fitondrana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote, araka ny nambaran’ny Praiminisitra teny Tsimbazaza, afakomaly. “Hiaraha-midinika amin’ny Ceni izany. Horaisina ny fanapahan-kevitra aorian’izany“, hoy izy. Efa eto an-tanindrazana ary nandray ny ambasadaoron’i Inde ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Nanolotra « Panneaux solaires […]
Praiminisitra Ntsay Christian: “Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha ny governemanta”
Hanao ahoana ny fe-potoam-piasana faharoa amin’izao fitondrana izao? Vonona hanatanteraka ny vinan’ny filoha amin’ny alalan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny governemanta. “Amin’izao fe-potoam-piasana 2024-2028 izao, laharaham-pahamehana hanatrarana ny taham-pampandrosoana eto Madagasikara ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, ny famoronana asa, ny fanatsarana ny fitantanana, ny fanamafisana ny […]
Hahita ny tsy fahita
Neken’ny parlemanta ny tolo-dalàna famaizana ny mpanolana. Dia hahita ny tsy fahita, hiaina ny tsy fiaina izay tra-tehaka manao izany. Hiditra amin’ny famosirana simika atao amin’ny filahiana i Madagasikara, afaka fotoana fohy. Iza re ny lehilahy haniry izany e? Mba hampiova ireo zatra ny lalan-dririnina amin’izay ity lalàna vaovao ity. […]






