Tontosa, omaly, teny amin’ny birao fiasan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), Ambohidahy, ny fifidianana izay hisolo tena azy ireo eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED). Voafidy tamin’izany i James Ramarosaona. Tamin’ny alalan’ny latsabato ana habaka no nanaovana izany ary tamin’ny […]
Other News
Fifandraisan-davitra : tafakatra 151 tapitrisa ny mpanjifan’ny Airtel Afrika
Nahatratra 100 tapitrisa dolara ny renivola novidian’ny vondrona orinasa fifandraisan-davitra Airtel Afrika. Nitombo ny isan’ny mpanjifa, sady nahomby ny fifanakalozam-bola. Nitombo 9,1% ! Tafakatra 151, 2 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny vondrona Airtel Afrika tamin’ny taom-piasana 2023. Nahatratra 62,7 tapitrisa ny mpanjifa mampiasa ny tolotra, raha 37,5 tapitrisa ny mampiasa ny fifanakalozam-bola. […]
INDRAY MIJERY
3 tapitrisa ny isan’ny olona mahazo tombontsoa amin’ny tetikasa « Mionjo », ho an’ny faritra telo any Atsimo. Kaominina 234, anatin’ny distrika 14, no voakasika amin’ny fanohanana ny mponina hiarina hiatrehany ny voina samihafa. Nanomboka ny taona 2022 ary hifarana ny taona 2025 ny tetikasa, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. EPP efatra any […]
TARATRY ny KANTO
Piment Café – Mahery sy Nanie. Haverina anio alina indray ilay fiarahana an-tsehatr’ireto mpanakanto ireto, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fampiaraham-peo maromaro no nalahatr’izy ireo, volana vitsivitsy lasa izay. Maro mpankafy izany ka betsaka ireo nangataka famerenana. Hanao ny hirany manokana ihany koa izy mianadahy ireto. M’Lam – Ho an’i […]
Anoka Ba Gasy: hamerina ireo hira tsy tontan’ny ela
“Hanina an’i Neny. Hira anisan’ny nampalaza ny fampiaraham-peon’i Barijaona sy O’Suzah izy ity. “Hira noforonin’ny anadahin-dreniko, Randria Gervais, ny Hanina an’i Neny. Nampihiraina an-dry Barijaona izany, ary tena be mpankafy. Ankehitriny haverinay Anoka Ba Gasy indray ny hira”, hoy ny nambaran-dRalanto. Iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Anoka Ba Gasy. […]






