Other News

Antoko Hiaraka isika : “Tsy mendrika krizy intsony ny firenena”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Hiaraka isika, taorian’ny namoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, farany teo. “Tsy misy mahazo tombony amin’ny savorovoro ary tsy mendrika krizy intsony ny firenentsika. Ny fampandrosoana no tokony hiarahana misalahy amin’ izao fotoan-tsarotra maneran-tany izao sy ny maha firenena mbola marefo antsika anatin’ ny fifampiankinana […]

Nangalatra fanitso : Jiolahy maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy miasa ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alahady teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Nahazo antso avy amina tompona tranombarotra ny polisy fa misy jiolahy maromaro manafika sy mamaky ny fivarotany. Nidina haingana tao amin’ilay tranombarotra ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ity fanafihana ity. Raikitra ny […]

INDRAY MIJERY

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro lasa teo, ilay horonantsary fanadihadiana “Miaro ny vehivavy”. Ny zava-misy mandritra ny asa fanentanana sy fandraisana an-tanana ireo vehivavy tratran’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, manerana ny toerana iasan’ny fondation Akbaraly, no tantarainy amin’izany. Ny fanabeazana dia mahakasika ny rehetra ary ny tranga […]

Farihin’i Mantasoa: nandrotsahana zana-trondro miisa 40 000

Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny jono isika izao, antony indrindra hampiroboroboana ity sehatra ity. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 40 000 ao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny sabotsy teo. Hetsika tantso­roka avy amin’ny orinasa Aci­pencer. Tanjona ny hitanta­nana maharitra sy hamere­nana ireo harenan’ny farihy mba ho tombontsoan’ny rehetra. Tsapa tokoa fa […]

Seha-pihariana kakao: hampirisihina ny fampiroboroboana azy

Lalam-pihariana anisan’ny nahitantsika tombontsoa ny kakao manomboka any amin’ ny tantsaha ka hatrany amin’ ny mpanondrana. Nandrom­baka ny vokatra tsara kalitao indrindra maneran-tany (Cacao fin 100%) i Madagasikara, vao tsy ela. Tsy nitsaha niakatra ihany koa ny vidin’ny kakao noho ny tinady iraisam-pire­nana. Na izany aza, tokony jerena ny fanitarana […]