Toy ny tamin’ny taon-dasa, nanodidina ny 18 000t ny vokatra letisia naondran’i Madagasikara tany ivelany. Hanomboka ny talata izao ny taom-piotazana. Tapaka taorian’ny fivorian’ ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny letisia fa manodidina ny 17 500-18 000t ny vokatra letisia aondrantsika any ivelany amin’ity taona ity. “Quota” mitovy tamin’ny taon-dasa. “Handray […]
Other News
Antoko MMM : “Haverina ny tany tan-dalàna”
« Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina tany tan-dalàna i Madagasikara », hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo, teny Ankerana, raha namory ireo mpikambana. Nanteriny fa tombontsoa iombonana no tadiavina rehefa manao politika. Tsy manao fitaovana ny hafa fa hiady ho an’ny vahoaka. […]
Fiara nitondra razana tra-doza: niara-maty ny vadiny sy ny rahalahiny
Maty tsy tra-drano ny vadin’ilay lehilahy ho alevina sy ny rahalahiny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN7, teo amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’Ihosy, omaly maraina. « Niala alina tao Ilakaka io fiara io ary nikasa hihazo an’Androy hitondra ilay razana », hoy ny fanazavan’ny kapiteny, kaomandin’ ny kaompania Ihosy. Naharay antso tampoka izy […]
Rasoamaromaka Hery : “Vitsy ireo voataona tsy hifidy”
“Raha ny fifidianana natao teto, eo amin’ny 50% ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy. Nefa tamin’ny fifidianana teo, 40% izany. Tsy ampy eo amin’ny 10% na latsaka kelin’izay ny tsy nifidy, raha mitaha amin’ny fifidianana teo aloha”, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. Raha nitaona ny olona tsy hifidy ny vondron’ny […]
Lalatiana Rakotondrazafy : “Miandry ny voka-pifidianana ofisialy izao”
Nitondra fanazavana sy ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha mpanorina ny antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany fa nizotra am-pilaminana ny fifidianana. Nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI sy ny gazety Le Monde, ny minisitra teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Freedom. Namafisiny tamin’izany fa tsy misy krizy politika eto […]






