Hitombo hatrany amin’ny 5.600 taonina ny famokaram-bary ao Marovoay aorian’ny fahavitan’ny lemaka any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fahavitan-tena ny fampiroboroboa ny famokaram-bary eto Madagasikara. Andrasana hamoka-bary 5.600t fanampiny ny lakandrano lehibe ao amin’ny secteur 4,5,6 ao Marovoay. Hanondraka velaran-tany 7.235ha ny lakandrano aorian’ ny fahavitany ka tantsaha mpamboly hatrany […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy izao, ny hetsika anjara hetrako atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ho azo eo no ho eo, mandritra izany, ny karatry ny mpandoa hetra. Tsy miova ihany koa ny fepetra takina amin’izany toy ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar aloa amin’ny e-hatraphone. Antoka […]
Taom-pambolena 2023-2024: nisitraka masomboly ny tantsaha mpamokatra
Mitohy ny fanampiana ny tantsaha ao anatin’ny tetikasa “PURPA” tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE), ho an’ny taom-pamokarana 2023-2024. Tantsaha 168, avy ao amin’ny kaominina Belo amoron’i Tsiribihina, no nisitraka masomboly, voanjo fleru 11 voafantina, milanja 4,704 taonina sy zezika NPK 3,360 t ary zezika biolojika 16,800 t. Ankoatra […]
Tsena: Tafakatra 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy
Nisondrotra tampoka ny vidin’ny siramamy eny an-tsena. Manodidina ny 5 500Ar ny iray kilao raha toa ka 4 700Ar izany teo aloha. Nahitam-piakarana avokoa ny ankamaroan’ny vidin’ entana andavanandro. Ankehitriny, 5 500Ar ny kilaon’ny siramamy mena raha toa ka 4 700Ar izany teo aloha. “Nanomboka ny tapaky ny volana novambra […]
Ankazobe : mitsoaka amin’ny distrika manodidina ireo mpaka an-keriny
Mandositra miala amin’ny tananan’Ankazobe avokoa ireo dahalo taorian’ny fanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Manao tongotra an-katoka mihazo an’i Fenoarivobe hatrany Anjozorobe izy ireny, araka ny nambaran’ny solontenan’ny mponina. Manoloana ny trangana fakana an-keriny niseholany tao amin’io distrikan’Ankazobe io, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny teo […]







