Other News

Nofatorana hanondro ny mpanambola : fanafihana hafahafa teny Ambatomirahavavy

Indray lasibatry ny jiolahy ny fianakaviana efatra. Nifandimbiasana nofatorana sy no­terena, ary nasaina nanatitra tany amin’ny mpanam­bola ireo lasibatra. Tanàna roa tao amin’ny fo­kon­tany Ambo­hi­manandray, kaominina Ambato­mirahavavy no nanamparany ny asa ratsiny, ny alin’ny sabotsy 9 de­sambra teo. Voa­roba ny vola an-tapitrisa sy ny firavaka. Tokan­trano efatra nase­sin’ny dahalo. Dahalo […]

FANTINA sy FINTINA

Nalefa eny amin’ny fampanoavana « Dossier à transmettre” ny raharaha momba ny mpanao gazety, i Gascar Fenosoa, taorian’ny nanadihadian’ny zandary sampana misahana ny heloka bevava etsy Fia­danana azy. Nanomboka tamin’ny 8 mahery ka hatramin’ny 4 ora tolakandro izany. Misy fetrany ny faharetana, araka ny fanaraha-maso nataon’ny Arrupe, tamin’ny fifidianana. “Hiseho […]

Ambana alohan’ny fianianana : ambenana manokana ireo toerana saro-pady

Mangingina ratsy ny tontolo politika amin’izao? Miandry ny fanatanterahan’ny filohan’ny Repoblika fianianana eny amin’ny kianja Barea, Maha­masina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Hanao ahoana? Misy ny ambana amin’ny mety hisian’ny fanakorontanana mialoha na amin’io andro io. Manoloana izany, efa nisy fampitandremana nataon’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny jeneraly Ravalo­manana Richard, […]

Tsy maintsy manadio !

  Tsy sasatra ny miantso vonjy ho an’ny vahoaka mala­gasy. Tsy reraka ny misintona lakolosy amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Mandry andriran’ antsy ny vahoaka na an-drenivohitra na any ambanivohitra. Tsy lavitra an’Antananarivo, sady mandroba amim-basy no maka takalon’aina ny jiolahy. Tsy misaron-tava fa feno fahasahiana sy fihantsiana amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : nitondra ny teny fiarahabana ny filoha Sinoa, i Xi Jinping

Mbola manao ranolava hatrany. Anisan’ireo filoham-pirenena niarahaba ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fe-potoam-piasana faharoa hitantana ny firenena izao ny filohan’i Sina, i Xi Jinping. Nivoitra tamin’izany taratasy firariantsoa izany ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ho amin’ny fampandrosoana. “Vonona izahay ny hiara-hiasa amin’ny filoha Rajoelina Andry […]