Other News

Tsipy kanetibe – “PPF 2026” : Nahazo fanasana i Yves sy i Tonnerre ary i Lova

Hotanterahina ao amin’ny Kianja Douaisis, France, ny sabotsy 7 sy alahady 8 marsa ho avy izao, ny famaranana lehibe amin’ny fiadiana ny Passion pétanque française (PPF 2026), taranja tsipy kanetibe, ho an’olon-telo miaraka. Anisan’ireo nahazo fanasana amin’izany ny Malagasy. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Yves Sedrick sy i Tiana (Tonnerre) […]

Basket Unity Game: Hitohy rahampitso ny fifaninanana

Notanterahina nanomboka omaly, hitohy rahampitso, eny amin’ny Kianja Oceanis Park Ambohidratrimo, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Basket Unity Game”, karakarain’ny ligin’Analamanga. Ho an’ny omaly, nifanandrina ny ekipan’ny Qua­tre-Bornes avy ao Maorisy sy ny Vétérans Ambo­hi­dratrimo, lalao izay nanokatra ny fifaninanana. Taorian’izay, nifandona ny Hammers Maorisiana sy ny tompondakan’ny N1B malagasy, ny AS […]

« Cosafa Women’s Cup » : Mila mandresy an’i Mozambika ny Barea

Hifantoka kely any Afrika Atsimo ny sain’ny Malagasy mpanaraka baolina kitra amin’izao fotoana izao. Hiady ny tapakila hiakarana manasa-dalana amin’ny “Cosafa Women’s Cup” ny Barea, sokajy vehivavy. Hotanterahina anio, any Afrika Atsimo, ny lalaon’ny Barea Ladies Madagasikara sy i Mozam­bika. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro faharoan’ny vondrona C, anatin’ny fifanintsanana afrikanina, […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 901 ny karatra ho an’ny mpitrandraka volamena, madinika, tany Ranohira, ny sabotsy 21 febroary teo. Karatra ahitana famantarana QR code ireo natolotra ireo. Tanjona ny hampiasana ny teknolojia niomerika, hampidirana anaty ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika. Nisantatra izany ny any Mariana, kaominina Ranohira, izay natao fokontany filamatra. Misy ny fandaminana […]

Fiarovana ara-tsakafo: Fampivoarana ny rafi-pambolena maharitra

Natao ny 23 sy ny 24 febroary teo, teto Antanana­rivo, ny atrikasa nasionaly mahakasika ny fampisakafoana an-tsekoly, mifototra amin’ ny fividianana ny vokatra eny ifotony (HGSF). Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny minisitera ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fana­beazam-pirenena (Men), ny antokon-draharaha ara-tsakafo (ONN) ary ny FSRP. Tan­jona […]