“Afa-mifampiresaka mivantana amin’ireo hery velona rehetra hisian’ny fitoniana sy ny fahitsiana manoloana ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Vondrom-pirenena mpanelanelana na ny GNM”, araka ny nambaran’i Hery Rakotomanana, solontenan’ ireo mpikambana anatin’io vondrona io, tetsy Ankadivato, omaly. Najoron’izy ireo ny GNM amin’ny maha tomponandraikitra ambony teo aloha, teto anivon’ny firenena, […]
Other News
Riana Andriamandavy : “Hanongam-panjakana ireo kandidà”
Andrana idirana amin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny fanambaran’ny kandidà Ravalomanana teny Antsonjombe, izay nanoritra mazava fa tsy maintsy ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ary tsy maintsy hanongana fitondram-panjakana, raha ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Upar, Riana Andriamandavy, momba ny fidiran’ny vondron’ny kandidà eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Tsy azo sarahina […]
Fihaonana nikaton-trano : nandray ny iraky ny Sadc ny Pan sy ny FFKM
Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ny manao izany ny vovonana iarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny eo anivon’ny FFKM. Noraisin’izy ireo teny Tsimbazaza ny iraky ny Sadc, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa anisan’ny anton’ny dinika rehetra tanterahin’ity vovonana ity amin’izao fotoana izao […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka ny fivoriana ofisialy voalohany ny komity mpanatanteraka omaly, rehefa vita ny fitsinjaram-pahefana teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Marihina fa manana tanjona goavana ny FMF, ny ahitana an’i Madagasikara, any amin’ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Afaka sivy andro, hiatrika ny lalao ihaonany amin’i Ghana ny ekipam-pirenena […]
Kitra – Ligy Boeny : hanomboka ny fiadiana ny amboara
Hotanterahina any amin’ny faritra Boeny, ny 11 novambra hatramin’ny 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboara, ligy Boeny, taranja Baolina kitra. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tany an-toerana izany, ny 4 novambra lasa teo. Mitondra ny anarana hoe “Alidy Group 2023” ity fifaninanana ity. Miisa 16 ireo mpandray anjara […]






