Notaterahina ny sabotsy teo, nandritra ny foara momba ny trano, tetsy Tanjombato ny “crash-test”, fampitahana ny rindrina vita amin’ny biriky sy ny polymur ary ny parpaing. 1mn 4s ny famakiana ny rindrina vita amin’ny biriky, 3mn 40s ny parpaing ary 7mn 47s ny « polymur », izay rindrina vita amin’ny vy sy […]
Other News
Korea : Fivoriana mahakasika ny tontolo iainana
Nandray anjara tamin’ny Fivoriambe iraisam-pirenena hiovana any amin’ny fampandrosoana maharitra (SDTF) i Madagasikara. Natao tao amin’ny Incheon City any Korea ity atrikasa lehibe ity, ny 16 hatramin’ny 19 oktobra 2023 teo. Nisolontena antsika ny fitantanana ankapobeny ny fampandrosoana maharitra, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (DGDD), sy ny fitantanana ankapobeny ao […]
Arahi-maso akaiky : misy mikasa hanao trafika any amin’ny morontsiraka atsinanana
Nahazo vaovao ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana fa misy ny fikasana hanao trafika na zavatra an-tsokosoko any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara. Norasina ny fepetra hanamafisana ny fanaraha-maso, noho izany. Saro-pady ho an’ny fadin-tseranana malagasy ny lafiny fanaraha-maso. Manao hetsika manokana, fisafoana ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara ny sampandraharahan’ny ladoany, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena […]
INDRAY MIJERY
Vita ny atrikasa fampidirana ny lalàna momba ny loza voajanahary sy ny fampiharana ireo lesona nianarana tamin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2022-2023. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana mialoha ny loza, teo amin’ny BNGRC sy ny lehiben’ny delegasiona «Cluster Ocean Indien» ary ny filoha nasionalin’ny Croix rouge malagasy. Hanao fitokonana eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo […]
Mondial Rugby : hiady ny amboara i Afrika Atsimo sy i Nouvelle Zélande
Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany France, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja Rugby. Ny ekipam-pirenena Springboks, Afrika Atsimo sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande no hifanandrina eo amin’ny famaranana. Raha hiverenana ny manasa-dalana nataon’ireo ekipa roa ireo, ny Springboks nandresy an ‘i XV de la Rose, Angleterre, […]






