Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona natsingevan’ny ranon’Ikopa teo ampitan’ny Gare routière Makis, omaly atoandro. Natopatopan’ny rano ka tsikaritry ny manodidina ny fisian-javatra hafahafa. Nanamarina izany ireto farany kinanjo tena olona ary efa tsy nisy aina intsony ity hita ity. Dahalo iray matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsampandrano, Iandratsay, fokontany Ampahatrimaha, kaominina Mandritsara, distrikan’i […]
Other News
Anolaka-Fianarantsoa : mpampiady akoho maty novonoina
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amina tokantrano iray ao Anolaka, fokontany Antanifotsy IV, kaominina an-drenivohitr’i Fianarantsoa. Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohany ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Mpampiady akoho ny asany ka ahina ho misy ifandraisany amin’izao raharaha izao. Naratra nandritra ny fanafihana koa ny renim-pianakaviana iray […]
Valifaty hafahafa : renim-pianakaviana maty voafira antsy
Ramatoa 50 taona maty nofirain’ny jiolahy roa lahy antsy tao an-tranony tao Moramizy, kaominina Ankarana, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny 1 septambra teo. Nitondra basy, niditra an-keriny tao amin’ny ankohonan’io renim-pianakaviana io ireo jiolahy. Nitondra antsy, norasainy avy hatrany ilay ramatoa. Tsy vitan’io, notifirin’ireo tsy valahara koa ny tongotr’ilay rangahy vadin’io […]
Lehilahy namono vady: fitakiana fitsaram-bahoaka, nivadika ho doro tanàna
Afobe tao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, omaly. Fitakiana lehilahy iray hanaovana fitsaram-bahoaka no nitarika izao faharavana tanàna iray manontolo izao… Tsy mbola maty ny afo hatramin’ny omaly hariva (tamin’ny 7 ora) ao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, vokatry ny fahamaizan’ireo trano marobe. Nirefodrefotra ihany koa ny poa-basy sy ny grenady lakrimozena […]






