Nirefotra ny grenady mandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina, omaly, teny Ambohidahy. Nisy ny naratra sy voasambotra. Nifandramatra koa ny samy sivily. Niafara tamin’ny fanapoahana grenady mandatsa-dranomaso sy fifanenjehana ny hetsika nataon’ ny Vondron’ny kandidà 11, omaly. “Tafiditra tao anatin’ny fidinana an-dalambe nampiasa fitaovam-piadiana ny hetsika nataon’ireo kandidà 11 omaly satria nahitana olona […]
Other News
FANTINA sy FINTINA
Handray ireo sokajin’olona samihafa ny kandidà Rajoelina Andry, anio, eny Ivandry. Anisan’izany ny fikambanana tanora sy ireo mpanao fanatanjahantena. Eo koa ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny olom-boafidy toy ny depiote sy ireo loholona ary ny ben’ny Tanàna. Tandindonin-doza indray ny firenena, araka ny fanehoan-kevitr’i Dama, tarika Mahaleo, omaly. […]
Antoko Fiombonana: “Mandringa ny demokrasia fa ampanginina amin’ny basy…”
Tsy niandry ela fa nanao fanambarana avy hatrany ny antoko Fiombonana, manoloana ny tranga niseho, omaly teto an-drenivohitra. “Tena mandringa ny demokrasia satria basy aman-tafondro no ampanginana ireo te haneho hevitra an-kalalahana. Mihatra amin’ny mpanohitra ny ratra sy fisamborana ary fahasimbam-pananana miaraka amin’ ny antsojay”, hoy izy ireo. Nanterin’ny fanambarana […]
Hitokona sa hifidy ?
Vita iny ny omaly ! Ny ambany ihany no mafy fa nilamina ny tanàna. Tsy nisy ny korontana sy ny endrika fandikan-dalàna ka mety nitarika fandrobana na fanimbana fananam-bahoaka. Voafehy ny toe-draharaha teto an-drenivohitra. Samy namonjy fodiana ny rehetra rehefa samy avy namita ny adidiny teny an-toerana: ny mpanao fihetsiketsehana […]
Governora faritra Analamanga : “Efa leo ny olona ka tsy hanao sorona ny fiainany intsony”
Anisan’ireo naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaha politika ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa noforonina ireny savorovoro ireny… “Efa leo ny olona, tsy te hanao sorona ny fiainany intsony amin’ny fanakorontanana”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, manoloana ny hetsiky ny vondrona kandidà nitarika […]






