«Haisoratra: rakitry ny lasa, fanohitry ny ho avy». Tanterahina ny sabotsy 30 septambra 2023, tolakandro, ao Tsararano Mahajanga, ny «Alim-betso», karakarain’ny Faribolana Sandratra, sampana Mahajanga. Hetsika entina mankalaza ny faha-5 taonan’ity sampana iray ity. Fifampizarana eo amin’ny samy poeta, larona antsan-tonokalo no hameno ny fandaharam-potoana. Princio- Afondasin’Andohalo. Handravaka ny hetsika […]
Other News
NICOLAS SEGUI: hanolotra seho tsy panam-pahroa
Ho tontosaina eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, anio, ny fampisehoana «Concert Piano-Voix», iarahana amin’i Nicolas Séguy, Frantsay mpahay kanto. Vonona hanome fahafaham-po ny mpijery, indrindra ny mpankafy zavamaneno Piano, ny tsara indrindra avy aminy i Nicolas Séguy, mandritra ity seho ity. Ny fikambanana Madagaslam, miaraka amin’ny IFM […]
« Du Jardin à la Table »: tombony ho an’ny mpisehatra eo amin’ny haify
Omena lanja mandritra ny telo andro eny amin’ny AFT Andavamamba ny tontolon’ny haify sy ny zaridaina ary ny fambolena. Ankoatra ny fampirantiana dia ho hita eny koa ny atrikasa sy ny fampiofanana Nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 30 septambra 2023, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, […]
Amboaram-peo Faravohitra: omena lanja i Rado
Rado, mpanoratra. Io no ahafantaran’ny maro an’Andriamanantena Georges. Tsy izay ihany anefa fa andrarezin’ny kabary izy. Maro tamin’ny sanganasany no lasa tononkira. Mpitendry zavamaneno tahaka ny orga sy ny piano ihany koa i Rado… Antoko mpihira maro no mihira ny hira noforonin-dRado. Iray amin’ireny ny Amboaram-peo Faravohitra. Ny alahady 1 […]
Nivoaka ny boky “Ny diako”: Nomena mari-boninahitra i Fela Razafindranto
Lanonana roa sosona no notontosaina tetsy amin’ny Tranombokom-pirenena Anosy, omaly. Notolorana ny mari-boninahi-pirenena, “Chevalier de l’ordre national” Razafindrato Fela, fantatry ny maro amin’ny maha filoha mpitarika ny fikambanana Sembana Mijoro sy ny maha filoha nasionalin’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madagasikara azy. Niara-dalana tamin’izay ihany koa ny fampahafantarana ny boky mirakitra […]






