Tontolon’ny teatra. Nodimandry i Fredy. Vitsy ny mpilalao tahaka an’i Fredy. Hoy ireo mpankafy : « tena nahay nilalao i Fredy. Nanana fahazotoana nampiaiky ny rehetra teo amin’ny filalaovana teatra ». Saika milalao fototra hatrany izy tamin’ireo anjara notanany. Fantatra fa efa nilalao teatra tamin’ ny tropy Nelson Rasamimanana sy tropy Orimbato. Hisy […]
Other News
CCEsca Antanimena: nifamatotra akaiky i Niu Raza sy ny mpijery
Feno ny efitrano ! Nafana tanteraka ny CCEsca Antanimena, ny sabotsy 9 septambra teo. Tsikaritra teny an-toerana fa nifamatotra akaiky i Niu Raza sy ny mpijery. Hain’ ity tanora mpanakanto manana ny maha izy azy ity rahateo ny nanentana. Nampifanohizany ny lohatenin-kira roa ka zary nanome tantara iainan’ny mpijery. Tao anatin’ny […]
Samoela, Rah-Chiky, Princio : nifampizara sehatra ny andrarezin’ny Vazo miteny
Notanterahina omaly tolakandro, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana, « Revy sy Vazo milay », niarahana tamin’i Princio sy Rah-Chiky ary Samoela. Vazo miteny maroloko no nameno ny sehatra, araka ny nampanantenain’ireto mpanakanto ireto. Nampiavaka ny fampisehoana ny fampiaraham-peon’ireto andrarezin’ny Vazo miteny eto Madagasikara ireto. Afa-po ny mpankafy ary manantena ny seho sahala amin’ireny […]
Fampisehoana Mage 4 : hipoka tanteraka ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena
Tafahaona teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tia sy ny manina, omaly. Samy faly tokoa, ary niaraka nankafy indray ny hiran’ny tarika Mage 4, ireo mpankafy maro. Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampisehoana goavana niarahana tamin’ny tarika Mage 4. […]
Lalam-pirenena faha-44: Vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry, faly ny mponin’Alaotra Mangoro
Afa-trosa ! vita ny veliranon’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny vahoakan’ny faritra Alaotra Mangoro. Fotodrafitrasa maro no notokanana tamin’ny sabotsy, tao Moramanga sy Ambatondrazaka. Tetezana, biraon’ny kaomisaria, orinasa madinika, toby mamokatra herinatra mandeha amin’ny masoandro, sy kianja manara-penitra, ary ny lalam-pirenena faha-44. Ireo no fotodrafitrasa notokanan’ny kandidà Rajoelina Andry, izay vao nahavita […]






