Other News

Tetikasa Papriz 3 : mihoatra ny 5t/ ha ny taham-pamokaram-bary

Nanao tomban’ezaka momban’ny famokaram-bary tamin’ny alalan’ny tetikasa Papriz, 3 natao teto Madagasikara, ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vokatra, mihoatra ny 5t/ha ny taham-pamokarana izay azo tamin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana teny ifotony niarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra. “Nisy ny fanamafisana sy fampitomboana ny fampiofanana izay […]

Fitaterana : mpamily roa ho an’ny zotra mihoatra ny 600 km

Mitombo ny fifamoivoizana eny amin’ny lalampirenena amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Tsy maintsy mandray fepetra ny fanjakana, hitsinjovana ny mpandeha, satria maro ny ambana, loza, mety hitranga. Namoaka fepetra ny mi­nisiteran’ny Fitaterana ny famantarana ny toetr’ andro, mikasika ny fepetra tsy maintsy arahin’ny kaoperativa sy ny mpitatitra amin’izao fo­toana mahamaro ny […]

Indray mijery

Nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny rahampitso, ao amin’ny lycée manara-penitra Ambovombe Androy, ny fampiofanana ireo talen-tsekoly 470 sy lehi­ben’ny fari-pitantanana ara-pedagojia 23. Mahakasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana ao amin’ny fari-piadidiana Ambovombe, miaraka amin’ny Unicef. Nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny Seces Antsi­ranana. Hiroso […]

FJKM – Tantara : manan-taranaka velona Ambohimamory

Vohitra manantantara eto Imerina. Anisan’ireny ny fiangonana FJKM Ambohima­mo­ry Malala Orimbato. Hopo­rofoin’ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana ary ireo sakaizany fa misy sy velona ry zareo sy ny vohitra nipoirany ary ny fiangonana nanabe azy. Rahampitso alahady, amin’ny 8 ora sy sasany, fanompoam-pivavahana tokana. Fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Anisan’ny hi­songadina […]

TARATRY ny KANTO

Entanina hatrany ireo manana vakoka mahakasika ny haino aman-jery eto Madagasikara. Hotokanana tsy ho ela ny Mozean’ny haino aman-jery, na ny “Havoria”. Ilazana ireo fianakaviana, namana na mpiara-miasa manana sary sy ny mombamomba ireo mpiasa trananin’ny RNM sy TVM, na ireo nodimandry na ireo mbola misotro ronono, mba hizara izany. […]