Tanàna maro no handray anjara amin’ny “Slam nationale 14”, hanatanterahana ny fifaninanana, ahafantarana ny solontenan’izy ireo, anio. Toerana roa, amin’ny roa ambin’ny folo handray anjara no efa nahavita ny anjarany, nahafantarana ny mpandresy tamin’izy ireo. Ckiky sy Ral’Art no avy any Toliara, raha i Paracetamol sy Amzu no voafantina hisolotena […]
Other News
Finoana sy fanabeazana : hitondra aim-panahy sy fahalalana ry Ny Mino
Hira evanjelika. Tonga eto an-tanindrazana ny Groupe Ny Mino. Tsy handalo fotsiny fa hanatanteraka fihaonana amin’ny mpitia kanto sy hampitombo fahalalana ho an’ny olon-drehetra maniry ny ho any ivelany. Ny talata 15 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ambodihady Ambohimanarina. Hanatanteraka seho evanjelika lehibe ny groupe […]
Kandidà: Razafinjoelina Tahina
Nampahafantatra ny maha kandidà filohan’ny Repoblika azy tao Fianarantsoa, Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa kihon-dalana eo amin’ny tantara ny anio (omaly). Notsiahiviny fa be loatra ny fifankahalana politika miteraka disadisa. Ny tsy fandriampahalemana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. “Tsy misy politika mazava eto. Anisan’izany ny angovo, ny fandriampahalemana, ady amin’ny kolikoly”, […]
Fifidianana filoham-pirenena : enina ireo efa nanambara ho kandidà, dimy mianadahy mbola andrasana
Enina aloha ireo efa nanambara ny haha kandidà filoham-pirenena azy, mialoha ny 28 aogositra hisokafan’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina izao. Anisan’ny nanambara voalohany ny firotsahany, ny volana janoary teo, ny ambasadaoro teo aloha, i Paraina Auguste, atolotry ny fikambanana politika Tsara Tahafina .Ao anatin’ny fitetezam-paritra amin’izao fotoana izao izy sy […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantarin’ny filohan’ny FJKM, sady eo anivon’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako, omaly, ny fihaonambem-pirenena, hokarakarain’izy ireo. Hotanterahina ny 30 aogositra izao eny amin’ny ISTS Mandrimena ka anasana ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena… Fara-fisoratana anarana ho an’ireo handray anjara, ny 17 aogositra ho avy izao eny Anjohy. Nifampidinika tamin’ny Ceni ny Tim. […]






