Anisan’ny tapaka nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo farany teo fa hamoraina ny fangatahana fampidirana jiro sy rano eto an-drenivohitra manomboka izao. “Azon’ny tompon’ny trano atao ary manana porofo amin’ny fandoavan-ketran-trano ny manao ny fangatahana fampidirana jiro sy rano mialoha ny hanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Jirama ny asa”, hoy ny […]
Other News
Kitra : hotokanana ny Elgeco Plus Stadium
Raha tsy misy ny fiovana, hotokanana amin’ny alakamisy 10 aogosoitra ho avy izao ny kianja Elgeco Plus Stadium, eny By-Pass. Efa eo am-pamaranana ny pitsopitsony amin’ny maha ara-dalàna azy sisa ireo tomponandraikitra misahana ny fanamboarana izany fotodrafitrasana izany. Tsiahivina fa misy “tribune” sy “gradin” ny kianja. Ahitana efitrano ho an’ny […]
INDRAY MIJERY
Maro ireo karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana entin’ireo fiaraben’ny fahasalamana anatin’ny hetsika “Sarobidy ny aiko”. Ankoatra ny fizahana ankapobeny, ahitana gynécologie, échographie, ophtalmologie, ORL, fanjarian-tsakafo, fitsaboana ny fo sy ny lalandra, fitarafana, fitsaboana nify koa ny tolotra. Hiara-hiasa ny «Humanité £ inlcusion», amin’ ny alalan’ny tetikasa «Hifali 2» sy ny Centre […]
Nosy-Be: mpizahatany 39 000 tonga tao anatin’ny telo volana
Mihamahazo vahana ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be amin’izao fotoana izao. “Tao anatin’ny telo volana, nahatratra 39 779 ireo mpizahatany tonga ao an-toerana nanomboka ny volana mey ka hatramin’ny volana jolay teo”, hoy ny tale mpanatanteraka ny ORTN Nosy-Be, Randrianjafinirina Gerardo. Tsara ny tsena ho an’ireo mpivarotra kojakoja fahatsiarovana sy […]
Fanamboarana fotodrafitrasa: hasiana fitarihan-drano ao Betroka
Anisan’ny misedra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa toa ny tambazotra fitarihan-drano ao Andriabe, kaominina Mahasoa atsinanana, distrika Betroka. “Mbola ambany ny tahan’ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny tany trandrahana. Zara raha misy 10ha ny velaran-tany azo trandrahana ary 1,5t/ha ny taham-bokatra azo amin’izany ka manome 15t”, hoy […]






