Mbola ampahany ihany ! Anisan’ny fepetra notakin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika ahafahana miroso amin’ny fifidianana ny famoahan’ny fanjakana ny datim-pifidianana. Efa nampahafantarina, omaly, izany. Mbola maromaro ny teboka hafa ilan’ny vahiny sy mbola anarahany maso ny zotran’izany. Antoka ahazoana fanampiana eo amin’ny vola izany na mbola mijanona ho fampanantenana fotsiny ihany aza ilay 2 tapitrisa Euros, nambara ny herinandro teo, fa harotsaka ao amin’ilay tahiry “Basket Fund”.
Anisan’ny fepetra takin’ny Vondrona eoropeanina (UE), mbola notsiahivin’ny solontenany, i Isabelle Delattre, fa hiantohana ny mangarahara amin’ny fifidianana ny fanomezana ny Ceni ny fahaleovantenany tanteraka eo amin’ny fitantanana ny vola sy ny fangaraharahan’ny famindran’ny governemanta ny tetibola ilaina amin’ny fifidianana. Eo koa ny tokony hanajana ny fahalalahana maneho hevitra, araka ny voalazan’ny lalàna sy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. “Ilaina koa ny fanajana ny lalàna sy ny fangaraharahan’ny vola ampiasain’ireo kandidà. Manampy izany ny fanomezana fahefana ireo rafitra mpanara-maso ny tontolo politika eto”, hoy ihany izy. Takin’izy ireo ny hanohizana ny dinika momba ny zotram-pifidianana sy ny fanaraha-maso izany.
Nohitsiny fa miankina amin’ny fahatanterahan’ireo fepetra ireo no ahazoana antoka ny handraisan’ny UE anjara amin’ny famatsiam-bola ho amin’ny fifidianana.
Synèse R.




