Fanapahankevitry ny governemanta : hatao ny alakamisy 9 novambra ny fifidianana filoham-pirenena

Nohamafisin’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni. Hotanterahana ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena .

Nambaran’ny Praimini­sitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazo­arivo fa manamafy ny maha firenena mandala ny demokrasia sy mametraka ho tany tan-dalàna an’i Madagasikara ny firosoana amin’ny fifidianana. “Anisan’ny mahatonga antsika ho tafiditra amin’ireo firenena 10 ahitana ny demokrasia aty Afrika izany”, hoy izy.
Araka izany, hatao ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ara­ka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny governemanta. Hotanterahina ny alarobia 20 desambra kosa ny fihodinana faharoa, raha tsy misy ny mpirotsaka hofidina mahazo ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery.

Hanomboka ny 10 oktobra
Tokony hanomboka ny 10 oktobra, amin’ny 6 ora maraina izany ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana voalohany.

Mifanaraka amin’ny tetiandro naroson’ny Ceni ny 10 febroary teo izao daty navoakan’ny governemanta amin’ny didim-panjakana fanaikana mpifidy izao.
Tsiahivina fa mbola misy didim-panjakana efatra hafa mifandraika amin’ny fifidianana koa nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta.

Noraisina araka ny tolo-kevitry ny Ceni izany, araka ny nambaran’ny mpitondra teny sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Lalatiana Rakotondrazafy.

Synèse R.

Tokony hametra-pialana ny 9 septambra izao fara-fahatarany ny filohan’ny Repoblika raha ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Haharitra 30 andro kosa ny propagandy amin’ny fihodinana voalohany raha fito andro kosa izany ho an’ny fihodinana faharoa. Tokony ho ny faran’ny septambra ny fivoahan’ny lisitra ofisialy ho an’ireo kandidà, eken’ny HCC.

Partager sur: