Anisan’ny naneho hevitra ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, mikasika ilay fanangonan-tsonian’ny solombavambahoaka miisa 105 hanaovana fitsipaham-pitokisana ny govnernemanta. Nambarany fa fahefana feno ananan’ ny Antenimieram-pirenena tokoa izany, fa tokony ireo solombavambahoaka avy amin’ny fanoherana no manao azy. Hita fa nisy tamin’ireo depiote 105 nanao sonia […]
Mois : décembre 2022
Fitakian’ireo depiote: “Aleo hatao ny latsa-bato…”
Namatrapatratra ny depiote Tim, Razarapiera Fidel na i “Del kely” tao amin’ny fandaharany “Miara-manonja – MM”, omaly. Takin’izy ireo ny hirosoana amin’ny dingana manaraka ho amin’ny fitsipahana ny governemanta. “Efa voapetraka iny fitsipahana iny ary efa nanaraka ny lalàna avokoa. Aleo hatao ny adihevitra sy ny firosoana amin’ny latsa-bato, rahampitso […]
Filoha Rajoelina Andry: “Hidina 14 000 Ar ny vidin’ ny lasakan’ny simenitra”
Notatanterahina, omaly tao amin’ny kaominin’Alatsinainy Ibity – faritra Vakinankaratra, ny fanombohan’ny asa fanitarana sy fanavaozana ny ozinina mpamokatra simenitra, Cementis. Hampidina ny vidin’ny simenitra iray gony ho 14000 Ariary izany. Nitarika ny lanonana tany an-toerana tamin’izany ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa ho vita ary hihodina amin’ny taona 2025 ny […]
Mandriambero : lehilahy iray nitsoraka tao ambany kamiao
Tranga mampalahelo. Raim-pianakaviana iray 35 taona namoy ny ainy, omaly, rehefa avy nitsoraka tao ambany kamiao nandalo teny Mandriambero Andranotapahana. Tokony ho tamin’ny 01 ora tolakandro teo, nandeha tahaka ny olon-drehetra eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra izy. Nahita kamiao iray nandalo, avy hatrany dia nitsoraka tao ambanin’ny kodiarana. “Nandeha mora […]
Samy tomponandraikitra
Rava maina indray ny fitsipaham-pitokisana saika hataon’ny solombavambahoaka ny governemanta, izay tokony hatao anio ny fandaniana azy ampahibemaso. Voalaza fa tsy nanaraka ny fenitra sy ny lalàna manankery ilay antontan-taratasy ka tsy mitombina. Mazava be, mitsotsotra sy afaka mandamindamin-tsaina ny praiminisitra sy ny ekipany. Afaka manohy ny asany am-pitoniana koa […]




