Antoko Freedom : “Miantso ny filohan’ny Repoblika hirotsa-kofidina”

“Izahay no anisan’ny an­to­ko politika voalohany niantso ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, hiverina hirotsa-kofidina indray amin’ny fe-potoam-piasana faharoa”, hoy ny minisitra Rako­tondrazafy Lalatiana Andria­tongarivo amin’ny maha filoha nasionalin’ny antoko Free­dom azy. Tsy mbola namaly ny amin’izany ny filohan’ny Repoblika. Na izany aza, mi­janona amin’izay faharesen-dahatra izay ny antoko: hanohana azy raha mbola mirotsa-kofidina izy. Manamafy izay antso izay ny antoko.
Nilaza hatrany ny Free­dom hoe mila havaozina ny fanaovana politika eto Mada­gasikara, havaozina ny mpisehatra politika. Izay no voiziny mba hialana amin’ny hoe lasa tsy faharesen-dahatra no ma­hatonga ny mpanao politika hanohana olona iray, fa lafiny materialy, vola… Misy aza ny fividianana olona amin’izany. Aminy, faharesen-dahatra no tokony hitondra ny safidin’ny tena hanohana olona. Hevitra no ampiadiana: raha tsy mety amin’ny tena, ohatra, ny kandidà iray, inona ny tombony amin’ny kandidà hafa? Izay no tokony ho lalaovina amin’ny sehatra politika, fa tsy hoe vidina ny fanohanana olona iray.

R. Nd.

Partager sur: