Depiote Rajerison Antoine: “Manjavozavo ny ataon’ny fitondrana”

“Herintaona izay isika no tao anatin’izao fitondrana Fa­navaozana izao, tsy mbola fantatra mazava hoe: haharitra firy taona izay Tetezamita izay? Tsy mbola hita soritra mazava izay hatao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fiovana ivoaran’ny eny ifotony (Fivoi), Rajerison Antoine, momba ny raharaham-pirenena. Raha nandray fahefana ny fiton­drana tamin’ny 14 oktobra 2025, nametraka mazava hoe hatao faran’izay haingana ny tokony hametrahan’ny filoham-panjakana ny tondrozotra mandritra ny 24 volana neritreretina hivoahana amin’ ny krizy. Hatramin’izao, tsy fantatra hoe rahoviana ny fikaonandoham-pirenena? Rahoviana koa, ohatra, no handeha ny fifidianana ary fifidianana inona no hatao voalohany? Toy izany koa ny amin’ ny fitsapan-kevi-bahoaka raha hisy…
Mbola manjavozavo avokoa izany rehetra izany amin’ izao. Miteraka fahaverezam-pitokisana ny fitondrana ho an’ny olom-pirenena izay raharaha manjavozavo izay. Ao anatin’izay, tokony hitandrina ny fitondram-panjakana, satria mitazana ny olona ary mahafantatra hoe tsy mazava ny hitondrana ny Tetezamita hatramin’izao, fa lazaina fo­tsiny hoe hatao ny fikaonandoham-pirenena, ny lisi-pifidianana… Nefa tsy mazava hoe: rahoviana izany rehetra izany no hatao ary iza no hanao azy? Mila mandinika tsara ny mpitondra, tsy hoe tonga eo dia hanao ny asan’ny filohan’ ny Repoblika voafidy. Ny asa tena mila enjehin’izy ireo dia ny famitana ny fifidianana, indrindra ny fanatanterahana fiovana: fanovana ny lalàmpanorenana mba tsy hisy intsony ny hadalana ataon’ny mpitondra. Mba tsy hisy intsony ny krizy politika aorian’izao…

R. Nd.

Partager sur: