Filohan’ny Fanavaozana: “Mahatantesa fiovana isika”

Maika amin’ny fanovana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. « Mahatantesa fiovana isika », hoy izy tetsy Anosy, omaly.

“Mahatantesa fiovana isika”, hoy ny filohan’ny Fanavaoza­na, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Anosy, omaly, ny nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana vaovao ara-kajy mirindra hiadiana amin’ny kolikoly atao hoe: “Torohy”, novokarin’ny fitaleavana ankaponan’ny hetra (DGI). Rehefa apetraka ny fiovana, voatohintohina ny tombontsoa. Na io hetsika isaky ny minisitera miaraka ao anatin’ny fotoana fohy io aza, misy dikany: politika ny ao ambadika ao, na mpanam-bola… te handrotaka an’i Madagasikara. Tsy tantin-dry zareo ny fiterahana vaovao atrehina amin’ny 14 oktobra. Raha mitaky ny sendikà hoe manao kolikoly ny minisitra, mangataha fitsirihana ary ho avy izany satria manampy ny fitondram-panjakana. Fa raha mitaky zavatra hafahafa hoe tsindritsindrina ny mpiasam-panjakana, handefasana Bianco, gadraina… Satria hoe be kolikoly. Hoje­rena fotsiny? Mila atoro amin’ ny fitondram-panjakana izany, na minisitra na inona toerany: gadraina rehefa misy porofo.
Tsy soloina rehefa ny ekipa iray no mandresy. Fa rehefa ny ekipa an-taona maro no nambotry fanjakana sy nampijaly ny vahoaka, soloina avokoa ny olona ao anatiny. Nefa ny zava-misy, tsy mety miala ny olona ao anatiny: raha vao kitikitihina dia mitokona. Izany foana ve no iainana eto? Aza hararaotina ny maha mpiandry sy maha olon’Andriamanitra azy, fa alohan’ny maha mpiandry azy: miaramila izy. Misy dikany izay.
Nataony ohatra ny amin’ny fisian’ny kolikoly ny fandoavan’ny vahiny “visa” eny amin’ny seranam-piaramanidina: 30 na 35 euros. Nomen’ny Fanja­kana orinasa tsy miankina ny fakana an’izany tamin’ny 2017. 12 Euros amin’ny 30 na 35 euros ihany no omena ny Fanjakana. Mankaiza ny ambiny? Misy tomponandraikitra ambony miray tsikombakomba, tsy mamela ny mpisan’ny sampandraharahan’ny hetra (DGI) haka ny vola eny an-kianja. Ekena ve izany?

R. Nd.

Partager sur: