Hiditra an-tsehatra amin’izay… Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny FFKM, taorian’ny fihaonana maromaro, nataon’izy ireo tamin’ny tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy any ivelany, omaly, tetsy Ampandrana.
Nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi tamin’izany fa afaka mandinika ny fiainam-pirenena izy ireo. Naneho ny fankasitrahany, araka ny antson’ny Ceni ny hanatanterahana ny fihaonambe, hatao ny 24 marsa izao, eny Ankorondrano. “Efa nanao antso ny ilana ny fihaonambe eto anivon’ny firenena izahay. Tanindrazana iombonana ity ka iarahana miatrika ny fanatanterahana izany mba ho marina sy eken’ny rehetra ka hiteraka fiadanana sy fitoniana ary fampandrosoana ny firenena izany dinika izany”, hoy izy.
Tsy nisy nipika ny dinika rehetra
Niantso ny kristianina rehetra koa ny FFKM hitrotro am-bavaka izany fivoriana izany mba hahitana ny lalan-kizorana hampandrosoana ny firenena. “Iantsoana koa ny tomponandraikitra rehetra sy ny hery velona samihafa nasaina ho tonga”, hoy ihany izy. Natsidiny sahady fa ho avy ao hiatrika izany ireo filoham-piangonana, hiara-kijery ny fampandrosoana ny firenena iombonana. Vahiny nasaina izy ireo ka ho tonga satria efa nanao ny antso ny amin’ny hanatanterahana izany. “Tsy ho mpitarika anefa fa ho mpanatrika fivoriana”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny noraisin’ny FFKM, omaly, ny avy amin’ny Ceni sy ny Pnud ary koa ny ambasadaoro frantsay. Teo koa ny Pr Ranjeva Raymond. Tsy nisy nipika avokoa ny dinika rehetra.
Synèse R.




