Nanao ranolava ireo vahiny. Telo sosona be izao ireo masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny Iavoloha, ny 17 mey teo. Nanamafy ny fiaraha-miasany amintsika avokoa izy ireo. Anisan’izany ny masoivoho vaovaon’i Finlande, monina any Maputo, i Anna-Kaisa Heikkinen, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny […]
Mois : mai 2023
Fifidianana filoham-pirenena : hentitra ny masontsivan’ny eveka amin’ireo ho kandidà
Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka. Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana […]
Mila fanasitranana !
Tsy fomba ny miresaka finoana na antokom-pinoana. Saropady, tsy fiady hevitra ny tena marina. Anisan’ny zo fototra, voarakitra anatin’ny fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona rahateo ny fahafahana manaraka izay finoana tiany ho arahana. Midika izany fa zava-dehibe, masina ny resa-pivavahana sy finoana. Firenena mandala fatratra sy saropiaro amin’ny maha […]
Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra
Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Taorian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, […]
Ambohitrimanjaka : rotiky ny balan’ny zandary i Mainty
Maty voatifitry ny zandary, ny alarobia alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy vaky trano. Nahazo antso fanairana ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitrimanjaka mpanao fisafoana amin’ny alina fa misy andian’olona mampiahiahy mihaodihaody eny amin’ny fokontany Miadana, Ambohitrimanjaka. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary ka tratra teo am-pianihana […]




