Mois : mai 2023

Ampahefa-dalan’ny OPL : hifandona ny Ajesaia sy ny CFFA

Hotanterahina, anio sy rahampitso, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fi­fanandrinana hatao eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, anio sabotsy 27 mey 2023. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala […]

Basikety-Donovan : « Mahay i Etazonia saingy azo resena »

Nigadona teto Mada­gasikara, ny faran’ny herinandro teo, Rakotonanahary Donovan, mpilalaon’ny An­koay U19, nandranto ny taranja basikety tany Eta­zonia, nanomboka ny volana septambra 2022. Hiatrika ny fampivondronana miaraka amin’ireo namany ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hatao any Hongrie, izy. Nambarany fa nahita ny fomba filalaon’ny ekipa ao Etazonia […]

“Rugby Women’s cup 2023”: famaranana kely ny an’ny Springboks sy ny Makis Ladies

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa roa hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby. Anisan’ireo hiady izany tapakila izany ny Makis Ladies. Hiditra amin’ny andro fahatelo sady farany, rahampitso alahady, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby lalaovina olona […]

Issouf Ben Assoumacou : notsaroan’ny Akademia Malagasy

Tontosa, omaly, teny Tsimbazaza, ny fivoriambe iombonan’ny Akademia Malagasy. Fotoana nahatsiarovana ireo mpikambana efa maty teo anivon’ny fikambanana. Anisan’ny notsarovana manokana tamin’izany, ny Filohan’ny sampana tao Mahajanga, Issouf Ben Assoumacou. Marihina fa teraka ny 26 Marsa 1949 tany Morafeno, Mahajanga izy. Nodimandry ny 16 oktobra 2022. Notantaraina, nandritra izany, ny tantaram-piainany. […]

Seces Sampana Antananarivo: mitaky ny handoavana ny karaman’ny vakatera

Nivory teny Ankatso ny Seces, sampana Antananari­vo, omaly. Tapaka nandritra izany fa mitaky ny handoavana tsy misy hatak’andro ny karaman’ireo mpampianatra vakatera manerana ny toeram-pampianarana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo. “Mikatona ho azy ny oniversiten’Antananarivo raha sanatria ka mitsahatra tsy mampianatra ireo vakatera ireo na dia ny antsasany ihany aza”, […]