Nivoaka indray ny « Sokela, la parole du Sud », andiany fahafolo. Izy ity izay gazety boky nosoratan-dRasamoelina Henri, mpanoratra sy mpahay tantara, ary niarahany niasa tamin’ny « Editions Universitaires Européennes » ny fanontana azy. Mbola any ivelany ihany no ahitana ny boky amin’izao ary efa eo am-panatanterahana ny hanaparitahana azy eto Madagasikara ny […]
Mois : mai 2023
Fanamarihana ny faha-15 taona : nankasitrahan’ny minisitera ny mi’Ritsoka Production
15 taona tsy niato, teo amin’ny sehatry ny famokarana fampisehoana sy fampitaovana hetsika ny mi’Ritsoka Production. Nomena mari-boninahitra ny tale jeneraly ho fankasitrahana ny zava-bitan’ity orinasa ity. Lanonana niavaka. Notoloran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny mari-boninahitry ny kanto, “Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture” […]
Fanentanana ny mpifidy : mitety tsena sy tanàna ny tetikasa “Haogna”
Eny ifotony. Tetikasa fanentanana sy fanetsehana ny tanora, ny vehivavy ary ireo manana fahasembanana handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny “Haogna”. Anisan’izany ny zotram-pifidianana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa miasa amin’ny distrika 20 amin’ny faritra 11 izy ireo. Anisan’izany Analamanga, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Boeny, Bongolava, Diana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe ary […]
Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny tetibola”
“Ny fanitsiana tetibolam-panjakana halefa eny amin’ny Antenimiera, inoanay depiote maro anisa fa hifantoka bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy misy fiantraikany mivantana amin’ny ativilanin’ny vahoaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, momba ny tsy maintsy hisian’ ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023, amin’ izao […]
Famerenan’ny filoha ny zotra an-dalamby FCE : “Hitondra tombontsoan’ny vahoaka ny asantsika”
Nitohy, omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tao Fianarantsoa. Nosantarina tamin’izany ny famerenana indray ny zotra an-dalamby. Hiverina hiasa ny volana jona izao ny zotra an-dalamby FCE, hampitohy an’i Fianarantsoa sy i Manakara. “Hitondra tombontsoa ho an’ny toekarena sy ny fihariana izany rehefa niato. Hampiroboroboana ny fizahantany koa izany… […]




