Mois : mai 2023

Famokarana herinaratra : hiasa tsy ho ela ny tetikasa Volobe

Vita Sonia, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonia eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Compag­­nie générale de l’hydroélectricité de Volobe (CGHV), ao anatin’ny tetikasa “Volobe en Amont”. Famo­karana herinatra amin’ny alalan’ny renira­non’Ivondro. Araka izany, hamokatra herinaratra 750 Gwh isan-taona izany i Volo­be ka hanana tanjaka 120 MgW. Olona 2 tapitrisa […]

Samy be kajikajy !

Mitohy…miasa mangina ny raiamandreny am-panahy, mivon­drona ao anatin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Mada­gasikara (FFKM). Miroso tsikelikely ny fanomanana ilay fihaonam­bem-pirenena, hotanterahina ny volana jolay na aogositra ho avy izao. Tanjona ny tsy hisian’ny korontana sy ny mety ho fifampi­hantsiana amin’ny mpifanandrina politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Madagasikara milamina, […]

Raharaham-pirenena: miantso dinika andatabatra ny FFKM

Namoaka ny hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Nivoitra tamin’izany ny antso avo nataon’ireo raiamandrenin’ny fiangonana manoloana izao toe-draharaham-pirenena : sosialy, toekarena, politika… izao. “Hamafisinay ny antso avo ho an’ ny tomponandraikitra sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena fa ilaina ny fifampidinihana an-databatra, iarahantsika mitady vahaolana handresena ny […]

Asa mankany Canada : Fito vavy very 10 tapitrisa Ar, naiditra am-ponja ilay mpisoloky

Naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny fitsarana azy, afakomaly, ny mpisoloky iray ho mandefa mpiasa any Canada. Nisandoka tamin’ny olona maro, noraisim-potsiny tetsy amin’ny trano fonenany ao Antanetibe, Talata Volo­nondry io renim-pianakaviana io sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Tsikaritry ny manodidina ny fanangonan’io renim-pianakaviana io vehivavy maromaro isan’andro. Amin’ny alina anefa ireo […]