Mois : mai 2023

Tetikasa Rindra : ho fanamafisana ny fitondrana tsara tantana

Natsangana ny tetikasa Rindra, tetikasan’ny Fanda­ha­ranasan’ny Firenena Mi­kam­bana ho an’ny fampandrosoana (PNUD). Mamatsy vola izany ny sampandraharaha Amerikana ho an’ny fampandrosoana eran-tany. No­tonto­saina omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny fampahafantarana izany, tamin’ny fomba ofisialy. Novolavolaina mba hahafahana mandrindra ny antontan-kevitra avy amin’ireo minisitera sy ireo Andrimpan­ja­kana samihafa ny tetikasa. […]

Fananantany : sakana amin’ny famokarana ny herisetra ara-tany

Antapitrisa ireo tantsaha ao amin’ny faritra Atsinanana tratry ny herisetra ara-tany, indrindra ny ao Toamasina II. Sakana amin’ny famokarana ifotony izany ary mampitarazoka ny toekaren’ny mponina. Nisokatra ny alatsinainy teo, teny amin’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina, ny herinandron’ny karatany. Nitarika izany ny minisitry ny Asa tanàna sady mpiahy ny faritra, Ratsiraka […]

Karazan-javamananaina : hampitomboina 27 ny faritra arovana

Maherin’ny 100 isa eo ny faritra arovana eto Madagasi­kara. Napetraka ny vina fa hampitomboina 27 indray izany manerana ny Nosy. “Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fanomezan-tanana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny olom-pirenena tsirairay avy, izay manana anjara biriky amin’ny fiarovana ny zava-mananaina”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny […]

Tanora mpandraharaha : hanomboka ny Pitch by Fihariana II

Anisan’ny vinan’ny filoha Rajoelina ny fisandratana ho an’i Madagasikara (IEM ). Mampiavaka azy ny fanohanana ny vehivavy mpandraharaha sy ny lehilahy amin’ny alalan’ny fandaharanasa. Nisy ny andiany voalohany nantsoina hoe «3,2,1 pitch by Fihariana», nisitrahana mpandraharaha miisa sivy avy any amin’ny faritra samihafa. Noho ny fahombiazan’io andiany voalohany io, natao, […]

200 miliara Ar tsy voaloa : hanangana sampandraharaha hitaky trosa ny Jirama

Very vola amina miliara ny orinasa Jirama. Vidin-jiro sy rano tsy voaloan’ny mpanjifa tao anatin’ny dimy taona. Hijery akaiky ny raharaha ny orinasa ka hanangana sampandraharaha hanara-maso izany. Hiroso amin’ny fitakiana ireo trosa tsy voaloan’ny mpanjifa teo anelanelan’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2022 teo, ny orinasa Jirama. “Tafakatra ha­tramin’ny 200 […]