Mois : juin 2023

Antoko MMM : “Fitsinjaram-pahefana ihany…”

Nitohy tany Ihosy, Iho­rombe indray ny fihaonan’ny mpitarika ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andri­a­nainarivelo Hajo tamin’ny vahoaka, ny sabotsy teo. Nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny tany an-toerana ny tenany. Nambarany tamin’ izany fa fotokevitry ny antoko sady vahaolana amin’izany ny fitsinjaram-pahefana. “Ahazoan’ny eny ifotony ny fahefana sy mitantana ny hoavy […]

Filohan’ny FFKM, Andriamahazosoa Irako : “Henatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika”

Nentin’ny FFKM am-bavaka tetsy amin’ny FLM 67ha, omaly, ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Nohazavain’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako tamin’izany ny dingana irosoana amin’ilay fihaonambem-paritra. “Mahamenatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika. Natao hifampihainoana sy hiresahana ny fihaonambem-paritra tanterahan’ny fiangonana io”, hoy izy. Notsiahiviny fa natao hananganana […]

Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : « Tsy misy lalàna manakana ny Malagasy hanana zom-pirenena hafa »

Manolona ny resabe mom­ba ny sata mifehy ny zom-pirenena (Code de la nationalité) malagasy, nanazava ny minisitry ny Fitsarana, Ran­driamanantenasoa Landy Mbo­latiana. Nambarany fa ny didy hitsivolana (Ordonnace) laharana 60-064, nivoaka ny 22 jolay 1960, nasiam-panovana sy notovanana (amendé) no mamaritra izany, manomboka eo amin’ny andininy faha-9. Voafaritra ao ny […]

Misy fotsifotsy saina

63 taona no niverenan’ny Fahaleovantena. Hatramin’izao, misy hatrany ny miroaroa saina: mila manangan-tsaina ve, hono, ny tena sa tsia? Misy aza ny manao anditra na mifanditra amin’izany. Nahoana? Ny itsitokotoan’ny loha, samy manana ny heviny. Ny tanàna koa tsy ilaozan’adala? Na izany aza, tsotra ny resaka tsy azo ifanerena: izay […]

Tora-bato sy lakrimozenina: nifampitana ny Emmo-Reg sy ny mpitolona

Voasakana ny kongresim-paritry ny Tim tao Antsirabe. Niditra an-tsehatra nandrava izany ny Emmo/Reg. Raikitra ny tora-bato, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso. Mbola niantsena tao Sabotsy ny filoha teo aloha, Ravaloma­na­na, tamin’ny 10 ora ny marainan’ny sabotsy teo raha efa nametraka sakana kosa ny Emmo/Reg. Tsy navelan’izy ireo niditra ny Magro Ava­ratsena […]