Mois : juin 2023

Fifaninanan-kira: hifarana ny «Tsara hira, tsara mozika»

Voahaja tsara ny lamina napetraka ! Faran’ny volana marsa, tapitra ny fisoratana anarana. Voalohan’ny volana avrily ka hatramin’ny 3 jona, notanterahina ireo dingana telo tsy maintsy nizoran’ny mpifaninana. Ny 10 jona izao, tonga eo amin’ny dingan’ny famaranana ilay fifaninanana «Tsara hira, tsara mozika» karakara­in’ny Sehatra Ba Gasy. Ao amin’ny efitrano […]

Mpanakanto iraisam-pirenena : hanolotra seho tokana ho an’ ny Malagasy i Maître Gims

Tombony lehibe ho an’ny haikanto malagasy ny fanatontosan’ny vahiny mpanakanto fampisehoana eto Madagasikara tahaka izao. Fotoana ahafahana mivelatra sy maneho ny maha izy ny kanto malagasy izany. Tontosa, omaly talata, teny amin’ny Galaxy An­draharo, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny momba ny fampisehoana hotontosain’i Maître Gims eto Madagasi­kara. […]

Ankazobe : nanazava ny foto-keviny ny MMM

Mitohy ny fitetezam-paritra. Anjaran’ny tany amin’ ny distrikan’Ankazobe in­dray ny omaly, amin’ny fanazavan’ny antoko Mala­gasy miara-miainga ny foto-keviny sy ny raharaham-pirenena. Nitarika izany tany an-toerana ny loholona avy amin’ity antoko ity, Rakoton­drainibe Ndriana sy ny sasany amin’ny birao politika. “Manohy ny fanabeazana ara-poto-kevitra sy maha olom-pirenena izahay. An­draikitry ny antoko […]

Radimbielson William : “Tsy midika Tetezamita ny fikaonandoham-pirenena “

“Tokony hisy ny fikaondoham-pirenena. Tsy midika izay hoe fitondrana Teteza­mita. Na eo aza ny fifidianana, tokony hisy hatrany ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Tsy mila iray volana ny fanatanterahana izany, fa herinandro handaminan-javatra raha manam-piniavana hanavotra ny firenena ny rehetra. Tokony hojerena ny […]

Raholinarivo Paolo: “Tsy azo ekena ny Tetezamita”

“Ny fifanarahana tokony hatao eto: tsy ekena intsony ny Tetezamita, na iza na iza mampiditra an’izay eto. Na eo amin’ny fitondrana io, na mpanohitra, na antoko tsotra, na firongon’antoko.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny admi­nisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo Solona­valona. Fanambarana nataony manoloana ny fivoizan’ ny sasany fidirana amin’ny […]