Mois : juin 2023

Farmasianina : 25 ireo nahazo mari-pahaizana

Mpianatra 25 teo ani­von’ny sampam-piofanana Far­ma­sianina, avy amin’ny Anjeri­manontolo Ankatso, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. No­tanterahina tetsy amin’ny Carl­ton Anosy ny lanonana. Nitondra ny anarana “Andry Aina”, andiany fahavalo izy ireo. Ankoatra ny lanonana famoahana ireo mpianatra, nankasitrahana manokana ihany koa ireo mpampianatra nandritra izany. Mbola olana eto […]

Vovonan’ny sekoly tsy miankina: “Tsy voaenjika ireo mpanao hadisoana amin’ny fanadinam-panjakana”

Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, ny 20 jona ho avy izao, ho an’ity taom-pianarana ity. Manoloana izany, naneho hevitra momba ny dingana fanomanana fanadinana ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. Tsy vitan’ny fanjakana samirery ny fanomanana ary rehefa misy ny lesoka hita, ezahina ny […]

Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono

Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Ma­roan­tsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Ma­ha­tante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Nato­lotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Anten­dromaso […]

Delestazy : hiverina amin’ny laoniny ny herinaratra amin’ny zoma

Fahataran’ny famatsiana solika mavesatra noho ny tsy fahatomombanan’ny sambo mpitatitra. Fihenan’ny tohodrano hatramin’ny 30%, izay mampanano sarotra ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano. Ireo no nambaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, Rabarison Hery Tiana, fa antony mahatonga ny fahatapahan-jiro amin’izao. Notohizany fa miantoka ny ampahany betsaka amin’ny filàna herinaratra eto […]

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna : manome tohana ny governemanta amerikanina

Mamolavola paikady sy politika hoentina miady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy tsy voambara ary tsy voafehin’ny lalàna i Etazonia, miaraka amin’ireo Nosy aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina. Misy ny fivoriana mandritra ny hatelona hanatanterahana izany. Manantitra ny fahavononany i Etazonia hiady amin’ny jono tsy ara-dalàna aty amin’ireo firenena amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe […]